+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«أَسْوَأُ النَّاسِ سَرَقَةً الَّذِي يَسْرِقُ صَلَاتَهُ» قَالَ: وَكَيْفَ يَسْرِقُ صَلَاتَهُ؟ قال: «لَا يُتِمُّ رُكُوعَهَا، وَلَا سُجُودَهَا».

[صحيح] - [رواه ابن حبان] - [صحيح ابن حبان: 1888]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe :
“Ny olona mangalatra ratsy indrindra dia izay mangalatra ny soalat ataony.” Niteny izy hoe : “Ahoana ny fomba ataony mangalatra ny soalat-ny? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Tsy mahafeno ny fihondrehany na ny fiankohofany.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Ibn Hibbàn] - [Sahih Ibn Hibbàn - 1888]

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny mpangalatra ratsy indrindra dia ireo mangalatra amin’ny soalat ataony; satria ny olona maka fananan'ny hafa dia mety hahazoany tombony ihany izany eto an-tany, fa tsy tahaka an’ity mpangalatra ity, satria izy nangalatra ny fahasoavana tambin'asany sy valin-kasasarany. Hoy izy ireo : Ry irak'Allah, ahoana ny fomba hangalarany ny soalat? dia namaly izy hoe :Tsy feno ny fiondrehana sy ny fiankohofana amin'ny soalat-ny; Izany dia noho izy faingana mihondrika sy miankohoka, ary tsy manao izany amin’ny fomba tsara.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Bengaly Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha zava-dehibe ny fikolokoloana ny soalat atao, sy ny fanatanterahana ireo andriny miaraka amin’ny fitoniana sy fifantohan-tsaina.
  2. Ny famaritana ny olona tsy miondrika sy miankohoka tsara araka ny tokony ho izy ho mpangalatra, mba ho fampitandremana ny amin'izany sy ho fanairana amin'ny tsy mampety azy.
  3. Tsy maintsy totosaina araka ny tokony ho izy ny fiondrefana sy ny fiankohofana mandritra ny soalat ary ny eo amin'ny fijoroana mahitsy rehefa avy nanao azy roa.