+ -

عَنِ ابْنَ مَسْعُودٍ رضي الله عنه قَالَ:
عَلَّمَنِي رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، وَكَفِّي بَيْنَ كَفَّيْهِ، التَّشَهُّدَ، كَمَا يُعَلِّمُنِي السُّورَةَ مِنَ القُرْآنِ: «التَّحِيَّاتُ لِلَّهِ، وَالصَّلَوَاتُ وَالطَّيِّبَاتُ، السَّلاَمُ عَلَيْكَ أَيُّهَا النَّبِيُّ وَرَحْمَةُ اللَّهِ وَبَرَكَاتُهُ، السَّلاَمُ عَلَيْنَا وَعَلَى عِبَادِ اللَّهِ الصَّالِحِينَ، أَشْهَدُ أَنْ لاَ إِلَهَ إِلَّا اللَّهُ، وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ». وفي لفظ لهما: «إِنَّ اللهَ هُوَ السَّلَامُ، فَإِذَا قَعَدَ أَحَدُكُمْ فِي الصَّلَاةِ فَلْيَقُلْ: التَّحِيَّاتُ لِلَّهِ وَالصَّلَوَاتُ وَالطَّيِّبَاتُ السَّلَامُ عَلَيْكَ أَيُّهَا النَّبِيُّ وَرَحْمَةُ اللهِ وَبَرَكَاتُهُ، السَّلَامُ عَلَيْنَا وَعَلَى عِبَادِ اللهِ الصَّالِحِينَ، فَإِذَا قَالَهَا أَصَابَتْ كُلَّ عَبْدٍ لِلَّهِ صَالِحٍ فِي السَّمَاءِ وَالْأَرْضِ، أَشْهَدُ أَنْ لَا إِلَهَ إِلَّا اللهُ، وَأَشْهَدُ أَنَّ مُحَمَّدًا عَبْدُهُ وَرَسُولُهُ، ثُمَّ يَتَخَيَّرُ مِنَ الْمَسْأَلَةِ مَا شَاءَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 6265]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Mas'ond (R.A), Niteny manao hoe :
Nampianatra ahy ny Tashahhod ny Irak'allah (S.A.W) tamin'izany ny tanako teo anelanelan'ny tanany, tahaka ny nampianarany ahy ny Sorah avy ao amin'ny kor’any: "Attahiyàto Lillàhi waswalawàto watwaybàto; Assalamo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo alaina wa a'là Ibadillahi swalihina. Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado anna Mohammadan a’bdohò warasòlohò". Amin'ny voambolana niarahan'izy roa nitatitra: " Ny tena marina fa Allah ilay Fiadanana (salam) fa rehefa mipetraka ny iray aminareo manao ny fivavahany, dia aoka hiteny manao hoe: Attahiyato Lillahi waswalawato watwaybato; assalàmo alaika ayohan Nabio warahmatollahi wabarakatoho. Assalamo a’laina wa aa'la Ibadillahi swalihina, rehefa niteny izany izy dia ho azon'ny mpanompo mendrika rehetra ety an-tany sy any an-danitra ny hatsarana amin'ny fitenenana izany; Ash'hado An la'ilaha illallaho wa Ash'hado nna Mohammadan a’bdohò warasòlohò, orian'izany izy dia manao izay do'a tiany ho atao"

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nampianatra an'i Ibn Maso'd (R.A) ny Mpaminany (S.A.W) ny Tashahhod izay lazaina mandritra ny vavaka, ary nametrany ny tanany teo aminy tanany roa mba tsy hampivily ny sain'i Ibn Maso'd aminy, tahaky ny nampianariny azy ny sorate iray avy ao amin’ny CORAN, izay manambara fifantohan'ny Mpaminany (S.A.W) amin’io tashahhod io amin’ny voambolana ao aminy sy ny heviny. Dia niteny izy: "Attahyato Lillahi" : Izy io dia teny rehetra na fihetsika maneho fanajana, ary mendrika an’Allah ilay Tsitoha avokoa. "Aswalawàto": Io no vavaka efa fanta-daza izay tsy maintsy atao sy an-tsitrapo ho an’Allah ilay Tsitoha. "Attaybàto": Izy io dia teny sy fihetsika ary toetoetra tsara rehetra mampiseho ny fahalavorariana, ary mendrika an’Allah Tsitoha avokoa. "Assalamo A'laika ayohannabio warahmatollahi wabarakàtoh": Vavaka ho azy mba ho voaro amin’ny fahoriana sy ny loza rehetra ary ny fampitombo sy ny hahamaro ny soa rehetra. "Assalamo a'lainà wa a'là ibadillahi swalihìna": Doan amin'ny fiadanana ho an'ny olona mpanao swalat sy ho an'ny mpanompo mendrika rehetra any an-danitra sy ety an-tany. "Ash-hado An-Là ilàha illalàho": Izany hoe, ekeko ary hamafisiko fa tsy misy tompo marina sy mendrika ho tompoina afa-tsy Allah. "Wa anna mohammadan a'bdohò warasòlohò": Manamafy ny maha mpanompo azy sy ny fitondrany ilay hafatra farany.
Avy eo ny Mpaminany (S.A.W) namporisika ny olona hisafidy izay Doan tiany hatao.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fotoana hanaovana an'izany tashahhod izany dia ny fipetrahana aorian'ny fiankohofana farany amin'ny soalat rehetra, ary aorian'ny rakat faharoa amin'ny Soalat telo rakat sy efatra.
  2. Ny Attahyato dia tsy maintsy atao eo amin'ny Tashahhod, ary azo atao ny mitanisa ny iray amin'ireo teny ao amin'ny Tashahhod, izay voaporofo fa avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W).
  3. Azo atao ny manao Doan izay tiana atao ao anatin'ny Swalat raha toa ka tsy misy fahotana ny aminy.
  4. Tsaratsara ny manomboka ny doan ho an'ny tena manokana mialohan'ny hafa.