عَنْ وَائِل بن حُجرٍ رضي الله عنه قَالَ:
صَلَّيْتُ مَعَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَكَانَ يُسَلِّمُ عَنْ يَمِينِهِ: «السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّهِ وَبَرَكَاتُهُ»، وَعَنْ شِمَالِهِ: «السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّهِ».

[حسن] - [رواه أبو داود] - [سنن أبي داود: 997]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Waa'il Ibn Hojrin (R.A) niteny :
Nivavaka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nanao Salam teo ankavanany izy hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”, ary teo ankaviany koa hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”.

[Tsara] - [Notantarain'i Abo Daòd] - [Sonan Abo Daòd - 997]

Ny fanazavana

Raha te hiala amin'ny fivavahany ny Mpaminany (S.A.W), dia nanao ny fiarahabana teo ankavanany sy ankavia izy, nanodina ny tavany tamin'ny ilany ankavanana, sady niteny hoe : (Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah), ary nanao ny fiarahabana teo amin’ny ankaviany izy, nanodina ny tavany tamin’ny ilany havia, sady nitey manao hoe : (Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah).

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha ara-dalàna ny fiarahabana roa amin'ny vavaka, ary izy ireo dia iray amin'ireo Andrin'ny Swalat.
  2. Tsaratsara ny manampy ny teny hoe : (Wa barakatoh - sy ny fahasoavany) indraindray; Satria tsy nanao izany mandavan-taona ny Mpaminany (S.A.W).
  3. Andry tsy maintsy atao ny fanononana ny fiarahabana roa mandritra ny vavaka, fa ny mihodikodina eo am-panenoana azy no tsaratsara atao.
  4. Ny fitenenana hoe : (Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-pon'I Allah) mandritra ny fitodihana, fa tsy mialoha na aorian'izany.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (44)