عَنْ وَائِل بن حُجرٍ رضي الله عنه قَالَ:
صَلَّيْتُ مَعَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَكَانَ يُسَلِّمُ عَنْ يَمِينِهِ: «السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّهِ وَبَرَكَاتُهُ»، وَعَنْ شِمَالِهِ: «السَّلَامُ عَلَيْكُمْ وَرَحْمَةُ اللَّهِ».
[حسن] - [رواه أبو داود] - [سنن أبي داود: 997]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Waa'il Ibn Hojrin (R.A) niteny :
Nivavaka niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho, ary nanao Salam teo ankavanany izy hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”, ary teo ankaviany koa hoe : “Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah”.
[Tsara] - [Notantarain'i Abo Daòd] - [Sonan Abo Daòd - 997]
Raha te hiala amin'ny fivavahany ny Mpaminany (S.A.W), dia nanao ny fiarahabana teo ankavanany sy ankavia izy, nanodina ny tavany tamin'ny ilany ankavanana, sady niteny hoe : (Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah), ary nanao ny fiarahabana teo amin’ny ankaviany izy, nanodina ny tavany tamin’ny ilany havia, sady nitey manao hoe : (Assalam Alaikom Wa rahamatollahi Wa barakatoh - Ho aminareo anie ny fiadanana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’I Allah).