عَنْ عُبَادَةَ بْنِ الصَّامِتِ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا صَلَاةَ لِمَنْ لَمْ يَقْرَأْ بِفَاتِحَةِ الكِتَابِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 756]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Oubada Ibn Soamit (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Tsy misy soalat ho an'izay tsy mamaky ilay fanokafana ny Boky - Sourat Al-Fatiha".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 756]

Ny fanazavana

Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy manan-kery ny swalat raha tsy amin'ny alàlan'ny famakiana ny Sorat Al-Fatihah, satria anisan'ny andrin'ny soalat isaky ny rakaat izy.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy mahasolo ny famakiana Soratol-fatiha ny sorat hafa ankoatrany raha mahavita mamaky azy.
  2. Fahasimban'ny Rakat izay tsy namakiana soratol-fatiha, na fanahiniana izany na tsy fahaizana na fahadinoana, satria izy dia andry, ireo andry rehetra dia tsy azo avela mihitsy.
  3. Azon'ny olona tarihina atao ny tsy mamaky soratol-fatiha raha toa ka nahatratra ny mpitarika eo am-piondrehana izy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (54)