+ -

عَن عُمَرَ بنِ الخَطَّابِ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قال: سَمِعْتُ النَّبِيَّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«لَا تُطْرُونِي كَمَا أَطْرَتِ النَّصَارَى ابْنَ مَرْيَمَ؛ فَإِنَّمَا أَنَا عَبْدُهُ، فَقُولُوا: عَبْدُ اللهِ وَرَسُولُهُ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 3445]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Omar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny hoe : Izaho dia naheno an'i Mpaminany (S.A.W) niteny :
“ Aza mihoa_pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Tompo Allah no sady Iraka avy Aminy ".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 3445]

Ny fanazavana

I Mpaminany (S.A.W) dia mandrara ny fihoaram-pefy sy fampitomboana ny fetra ara-dalàna amin'ny fiderana azy sy ny famaritana azy amin'ny famaritana nataon'I Allah Tsitoha azy, toy ny hoe mahafantatra ny tsy hita maso izy, na mahay zavatra hafa miaraka amin'I Allah, toy ny ny Kristiana dia nanao an'izany amin'i Jesosy zanak'i Maria (A.S). Avy eo dia nambarany mazava tsara fa iray amin'ireo mpanompon’I Allah izy, ary nandidy ny hilazanay momba azy hoe : Mpanompon’I Allah sy iraka avy Aminy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف البلغارية Azerianina الأكانية Ozbekianina Okranianina الجورجية اللينجالا المقدونية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampitandremana mba tsy hihoatra ny fetra ara-dalàna amin'ny fanomezam-boninahitra sy ny fiderana; satria izany dia mitarika ho amin'ny fanompoan-tsampy.
  2. Ny zavatra nampitandreman'ny Mpaminany (SAW) dia nitranga tamin'ity vahoaka ity, ka nisy antokon'olona nihaom-pefy tamin'ny fitiavana ny irak'Allah, ary ny antokon'olona iray nihoam-pefy teo amin'ny ankohonany, ary ny vondrona sasany teo amin'ny olona masina, ka dia rendrika tamin’ny fanompoan-tsampy izy ireo.
  3. Nampahafantatra momba ny tenany i Mpaminany (saw) fa mpanompo an'I Allah izy, mba hafantarantsika fa tena mpanompo fatratra an'I Allah izy ka tsy mendrika azy ny hanomezana toetra mitovitovy amin'I Allah.
  4. Nilaza ny tenany ho irak'I Allah i Mpaminany (saw) mba hampisehoana fa iraka avy amin’IAllah izy, ka tsy maintsy inoana sy arahina.