+ -

عن أبي الهيَّاج الأسدي قال:
قَالَ لِي ‌عَلِيُّ بْنُ أَبِي طَالِبٍ: أَلَا أَبْعَثُكَ عَلَى مَا بَعَثَنِي عَلَيْهِ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ؟ أَنْ لَا تَدَعَ تِمْثَالًا إِلَّا طَمَسْتَهُ، وَلَا قَبْرًا مُشْرِفًا إِلَّا سَوَّيْتَهُ.

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 969]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abou Al-Hayadj Al-Assadiou niteny :
Hoy i Ali bin Abi Talib tamiko : Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana.

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

I Mpaminany (S.W.A) dia naniraka ny mpiara-dia aminy tsy hamela "sarivongana" - izany sarin'ny zavatra misy fanahy ara-nofo na tsy ara-nofo - raha tsy hoe esoriny na potehiny izany.
Ary tsy tokony hamela fasana avo izy ireo, raha tsy hoe ampitoviziny amin’ny tany izany ka ravany izay trano eo amboniny, na hatao fisaka mba tsy hampiakatra azy ho ambony dia ambony amin’ny tany, fa ampikarina ho avo kely amin'ny tany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fakana sary ny zavamananaina; Satria làlana mitarika amin'ny fanompoan-tsampy izany.
  2. Ny maha ara-dalàna ny fanesorana ny ratsy amin’ny tànana ho an’izay manana fahefana na hery manao izany.
  3. Fizirizirian'ny Mpaminany (S.A.W) ny hanaisotra ireo zavatra rehetra mampatsiahy ny vanim-potoana talohan'ny silamo (habadoana), anisan'izany ny sary, ny sarivongana ary ny tranobe eo amin'ny fasana.