+ -

عَن أَبي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«الْحَلِفُ مَنْفَقَةٌ لِلسِّلْعَةِ، مَمْحَقَةٌ لِلرِّبْحِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1606]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A) niteny hoe : Izaho dia nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
"Ny fianianana dia mampandany entam-barotra, saingy manaisotra tombony."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1606]

Ny fanazavana

Nampitandrina ny Mpaminany (S.A.W) ny amin'ny fianianana sy ny fanaovana izany im-betsaka, na dia marina amin'ny fividianana sy fivarotana aza izy, ary nilaza izy fa izany dia antony mampalaza ny entana sy ny varotra, saingy mampihena sy manaisotra ary manafoana ny fahasoavan'ny tombom-barotra, ary Allah dia afaka mametraka azy amin’ny fomba izay hahatonga fahavoazana, na amin’ny alàlan’ny fangalarana, ny fandoroana, ny fandatsahan-drano, ny fandrobana, na ny fahavoazana hafa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Lehibe ny fianianana amin'I Allah, ary tsy azo atao fotsiny izany raha tsy tena ilaina.
  2. Ny tombom-barotra tsy ara-dalàna, na dia betsaka aza ny fatrany; dia tsy misy fahasoavana ary tsy misy soa ao aminy.
  3. Hoy i Al-Qaari : Lasa ny fahasoavana amin'izay azo; na amin’ny fanimbana ny hareny, na amin’ny fandaniana izany amin’ny zavatra hafa ankoatra izay hahasoa azy atsy ho atsy na amin’ny valisoa ho azy amin’ny ho avy, na mitoetra ao aminy ka tsy mahazo ny tombontsoany, na nolovain’izay manao izany tsy misaotra azy.
  4. Hoy i Al-Nawawi : Voarara ny mianiana be rehefa mivarotra, satria ny fianianana amin'ny tsy misy antony dia tsy tsara, ary tafiditra amin'izany ny fampiroboroboana ny entamb-barotra ihany koa, ary mety ho voafitaka ny mpividy amin'ny fianianana.
  5. Ny fianiana tafahoatra dia tsy fahampian'ny finoana ary tsy fahampian'ny fanokanana an'I Allah. Satria ny fianianana be loatra dia mitarika amin'ny zavatra roa : ny iray amin'izy ireo : ny fandeferana amin'izany sy ny tsy fisian'ny fitandremana, ary ny faharoa : ny lainga, satria izay mianiana be loatra dia ho tafalatsaka ao anaty lainga, ka tokony hampihena izany fa tsy mianiana be loatra, ary izany no nahatonga an’I Allah Tsitoha nilaza hoe : (Ary arovinareo ny fianiananareo) [Al-Maidah: 89].
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري Okranianina الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny