+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«قال الله تبارك وتعالى: أنا أغنى الشركاء عن الشرك، من عمل عملًا أشرك فيه معي غيري، تركتُهُ وشركَهُ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2985]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.a), ka Niteny i Mpaminany (saw) nanao hoe :
"Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Manambara atsika i Mpaminany (saw) fa i Tompo Allah Niteny ka nanao hoe : Fa Izy dia mahaleo tena ka tsy mila mpiara_miombona Aminy na dia kely aza, Izy dia mahaleo tena amin'ny zava-drehetra, ary raha manao asa fanompoana ny Olombelona iray ka nataony ho an'i Tompo Allah sy ankoatrany ihany koa; dia havelan'i Tompo Allah izany asa izany ary tsy ho raisiny mihitsy ny zavatra nataony, ary averiny any amin'ny tompony ilay asa. Ka tsy maintsy atao am_po madio ho an'ny Tompo Allah ny asa, satria Izy Tompo Allah ilay avo Tsitoha, dia tsy mandray no sady tsy manaiky afa-tsy izay natao ho Azy irery ihany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fampitandremana fatratra manoloana an'ny fanompoan-tsampy amin'ny fomba sy endriny rehetra; ary izany indrindra dia sakana lehibe eo amin’ny fomba fandraisana ny asa vita.
  2. Fahatsapana ny haren'i Tompo Allah sy ny fahalehibeazany, izay manampy amin’ny fahadiovam-po amin’ny asa.