Ireo sokajy amin'ny sampantsampany

Lisitr'ireo hadith

Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana
عربي Anglisy Ordo
Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany
عربي Anglisy Ordo
Izaho dia madio eo anatrehan'i Tompo Allah ary tsy mba manana sakaiza na dia iray Aminareo aza, Satria i Tompo Allah efa nandray Ahy ho sakaizany, tahaky ny nadraisany an'i Abrahama (A.S) ho sakaiza
عربي Anglisy Ordo
“ Aza mihoa_pefy amin'ny fiderana Ahy tahaka ny nideran’ireo vahoaka Kristiana ny Zanak’i Mariamo; Satria Izaho dia mipetraka ho Mpanompony ihany, koa lazao ny teny hoe : Mpanompon’i Tompo Allah no sady Iraka avy Aminy
عربي Anglisy Ordo
Ny Olona tena sambatra indrindra amin’ny fanelanelanana izay hataoko amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty dia ireo izay milaza fa tsy misy Tompo marina mendrika ho tompoina afa-tsy i Tompo Allah, ao amin’ny fony na ao amin’ny fanahiny
عربي Anglisy Ordo
izay maty tao anatin'ny fiantsoana tompo hafa ankoatra an' I Allah ho mitovy Aminy, dia hiditra amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
Rendrika ireo mpihoam-pefy
عربي Anglisy Ordo
Tsy haniraka anao ve aho hanao izay nanirahan'ny irak'Allah ahy? Aza avela hisy sarivongana raha tsy nipotehina, ary aza avela hisy fasana avo raha tsy ampitoviana
عربي Anglisy Ordo
Tsy hamela tady na rojo eo amin’ny vozon’ny rameva raha tsy tapaka
عربي Anglisy Ordo
Izay miteny hoe : Là ilàha illal-làhou, ary tsy mankato ny zavatra hafa tompoina ankoatran'i Allah dia fady ny maka ny harenany sy ny ràny fa ny fitsarana Azy dia any amin'ny Tompo Allah
عربي Anglisy Ordo
ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato
عربي Anglisy Ordo
Aza mipetraka eo ambonin'ny fasana ianareo, ary aza manao Soalat eo aminy
عربي Anglisy Ordo
Ireo dia olona izay, rehefa maty eo amin’izy ireo ny mpanompo mendrika na olo-marina, dia anorenan'izy ireo moske
عربي Anglisy Ordo
fa ny Zon'i Tompo Allah amin'ny mpanompony dia ny manompo Azy ary tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa, ary ny Zon'ireo mpanompo amin'i Tompo Allah dia tsy manasazy an'izay tsy manambatra Azy amin'ny zavatra hafa na dia kely aza
عربي Anglisy Ordo
Izay maty tsy nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah tamin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Paradisa, ary izay maty ka nanambatra fanompoana an'i Tompo Allah amin'ny zavatra hafa dia miditra ao amin'ny Afobe
عربي Anglisy Ordo
“Marina tokoa fa Allah dia mandrara anareo tsy hianiana amin’ny razanareo
عربي Anglisy Ordo
Aza :miteny hoe : Raha sitrak'Allah sy sitrak'i ranona, fa teneno hoe : Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrak'i ranona
عربي Anglisy Ordo
“Tsy misy areti-mifindra, tsy misy finoanoam-poana, ary tiako ilay fambara tsara.” Hoy izy ireo: Inona no fambara? dia hoy izy : “Ny teny tsara.”
عربي Anglisy Ordo
ka ahoana no hanaovanay ny velirano aminao? Dia hoy izy : “Amin'ny fanompoana an'I Allah ka tsy hampitambatra Azy na amin’inona na amin’inona, sy ny soalat dimy isan’andro, ary hankatò - ary niteny mora kely izy — ary aza mangataka na inona na inona amin’ny olona.”
عربي Anglisy Ordo
Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, dia hanaraka ny làlan’ireo teo alohanareo tokoa ianareo
عربي Anglisy Ordo
Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) niresaka taminy momba ny zavatra iray, dia hoy izy : "Raha sitrak'Allah sy sitrakao." Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Nataonao mitovy tantana amin'Allah aho?” Lazao fotsiny hoe : “Raha sitrak'Allah irery ihany”
عربي Anglisy Ordo
“Izay niravaka ody dia nanao ny fanompoan-tsampy”
عربي Anglisy Ordo