+ -

عَنْ عَبْدِ الرَّحْمَنِ بْنِ سَمُرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لَا تَحْلِفُوا بِالطَّوَاغِي، وَلَا بِآبَائِكُمْ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1648]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abdo rahman bin Samra (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Aza mianiana amin'ny Sampy na amin'ny razanareo."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 1648]

Ny fanazavana

Nandrara ny fianianana atao amin'ny sampy ny Mpaminany (S.A.W), io sampy io dia sampy mpanompon'ireo mpanompo sampy ankoatra an'I Allah, ary ireny no nahatonga azy ireo nihoam-pefy sy tsy nino. Ary mandrara ny mianiana amin’ny razambe ny Mpaminany (S.A.W); Fanaon’ny Arabo talohan’ny silamo ny mianiana amin’ny razany noho ny fireharehana ny aminy sy ny fanajana azy ireo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina serbianina Romaniana الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsy azo atao ny mianiana raha tsy amin’I Allah sy ireo Anarany ary ireo Toetoetrany.
  2. Voarara ny mianiana amin’ny sampy, ny razana, ny mpitondra, ireo sary vongana, ary izay tsy mety rehetra hafa mitovy amin’izany.
  3. Ny mianiana amin'ny zavatra hafa ankoatra an'I Allah dia shirk kely, ary mety ho shirk lehibe izany, raha misy lanjany ao am-pony ireo nanaovany fianianana, tahaka ny fanajana an'I Allah na koa mino izany amin'ny endrika fanompoana.