+ -

عَن أُمِّ سَلَمَةَ أُمِّ المُؤْمِنينَ زَوْجِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ رضي الله عنها قَالت: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«مَنْ كَانَ لَهُ ذِبْحٌ يَذْبَحُهُ فَإِذَا أُهِلَّ هِلَالُ ذِي الْحِجَّةِ، فَلَا يَأْخُذَنَّ مِنْ شَعْرِهِ، وَلَا مِنْ أَظْفَارِهِ شَيْئًا حَتَّى يُضَحِّيَ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 1977]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Omm Salamah, Renin'ny mpino, vadin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Izay manana biby fiompy hataony sorona ka rehefa niditra ny volana Zolhijjah, dia aoka tsy hanala na inona na inona amin’ny volony na amin’ny hohony izy mandra-panaovany ilay sorona".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 1977]

Ny fanazavana

Nandidy i Mpaminany (S.A.W) izay te hamono zavatra hatao sorona, mba tsy haka na inona na inona amin'ny volon-dohany, amin'ny handriny, amin'ny volombava, sns... na amin'ny hohon'ny tanany na ny tongony rehefa tonga ny volana Zol-Hijjah mandra-panaovany sorona.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Izay mikasa hanao sorona aorian'ny fiandohan'ny folo andro, dia manomboka amin'ny fotoana nokasainy ka hatramin'ny fanaovana sorona ny fifadiana voalaza etsy ambony.
  2. Raha mbola tsy nanatanteraka ny sorona amin'ny andro voalohany izy, dia tsy maintsy hifady mandra-panaony ny sorona amin'ny andro rehetra amin'ny andron'ny Tashreeq.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري الجورجية المقدونية الماراثية
Fanehona ny dikanteny