Lisitr'ireo hadith

Izay nanao sy nanatan-teraka ny fivanianana masina( Hadjy) ho an'i Tompo Allah ka tsy nanao zavatra mirakitra fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any Aminy Izy, dia lasa tahaka ny Andro voalohany izay nahaterahan'ny Reniny Azy Izy amin'izany fotoana izany
عربي Anglisy Ordo
Tsy misy andro hanaovan’ny olona asa soa tian’i Allah mihoatra ireto andro ireto" izany hoe : Ireo andro folo voalohany amin’ny Zil-Hidjat
عربي Anglisy Ordo
Ny finoana silamo dia miorina amin'ny zavatra dimy
عربي Anglisy Ordo
“Tsy afaka mandeha lavitra ny vehivavy mandritra ny roa andro raha tsy miaraka aminy ny vadiny na olona fady
عربي Anglisy Ordo
Ny soalat ato amin'ity moske-ko ity dia tsara noho ny soalat arivo atao any amin'ny moske hafa, afa-tsy ny Moske Masina Al-Haram
عربي Anglisy Ordo
Rehefa tonga ny Ramadany dia manaova Omra ianao, satria ny Omra amin'io volana io dia mitovy amin'ny Hajj
عربي Anglisy Ordo
Ry irak'Allah ô, hitanay fa ny asa tsara indrindra dia ny ady masina, ka tsy tokony handeha hiady ve izahay? Dia hoy izy namaly : "Tsia, fa ny ady masina tsara indrindra dia : ny Hajj madio
عربي Anglisy Ordo
Nanao sorona ondrilahy roa misy tandroka ny Mpaminany (S.A.W), namono azy roa tamin'ny tànany izy, nanonona ny anaran'I Allah nanao takbir “Allaho Akbar” ary nametraka ny tongony teo amin'ny takolany
عربي Anglisy Ordo