عن أبي هريرة رضي الله عنه قال: سمعت النبي صلى الله عليه وسلم يقول:
«مَنْ حَجَّ لِلهِ فَلَمْ يَرْفُثْ وَلَمْ يَفْسُقْ رَجَعَ كَيَوْمِ وَلَدَتْهُ أُمُّهُ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1521]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abou Horaira (R.A), Niteny hoe : Izaho dia naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe :
"Izay nanao ny fivanianana masina (Hadjy) ho an'i Allah ka tsy nanao fahavetavetana sy fijangajangana dia hiverina any aminy Izy, dia lasa tahaka ny andro voalohany izay nahaterahan'ny reniny azy amin'izany fotoana izany ."
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1521]
Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) fa izay rehetra nanao sy nanatanteraka ny fivanianana masina ho an'i Allah ilay avo Tsitoha ka tsy nanao asa mirakitra vetaveta, ary anisany asa vetaveta: toy ny firaisana ara-nofo sy ireo fampidirana amin'izany toy ny fifanorohana sy ny fisafosafona, ary antsoina ihany koa hoe fahalotoana ara-pitondran_tena. Ary tsy nanao fahotana sy ny asa ratsy rehetra maro isan-karazany, Ary anisan'ireo fahalotoana ara-pitondran_tena dia ny fanaovana ireo voarara amin'ny fotoana izay mbola misikina ny lamba atao hoe : IHRAM, ka rehefa niverina avy tamin’ny fanaovana ny Hadjy izay nataony Izy dia voavela avokoa ny fahotana sy ny fahadisoana izay nivitany, ka dia lasa tahaka ny zaza kely voateraka izay tsy nisy ota Izy.