+ -

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رضي الله عنهما قَالَ:
قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لِامْرَأَةٍ مِنَ الْأَنْصَارِ سَمَّاهَا ابْنُ عَبَّاسٍ فَنَسِيتُ اسْمَهَا: «مَا مَنَعَكِ أَنْ تَحُجِّي مَعَنَا؟» قَالَتْ: لَمْ يَكُنْ لَنَا إِلَّا نَاضِحَانِ فَحَجَّ أَبُو وَلَدِهَا وَابْنُهَا عَلَى نَاضِحٍ وَتَرَكَ لَنَا نَاضِحًا نَنْضِحُ عَلَيْهِ، قَالَ: «فَإِذَا جَاءَ رَمَضَانُ فَاعْتَمِرِي، فَإِنَّ عُمْرَةً فِيهِ تَعْدِلُ حَجَّةً».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1256]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) niteny manao hoe :
Niteny ny irak'Allah tamin'ny vehivavy iray avy amin'ny Ansôara izay nantsoin'i Ibn A’bbàs tamin'ny anarany, saingy adinoko ny anarany : "Inona no manakana anao tsy hanao Hajj miaraka aminay?" Namaly izy hoe : Tsy nanana afa-tsy rameva roa izahay, ka lasan'ny rain-janany sy ny zanany ny rameva iray hanavaon'izy roa Hajj ary namela rameva iray hikarakaranay ny volinay, dia niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Rehefa tonga ny Ramadany dia manaova Omra ianao, satria ny Omra amin'io volana io dia mitovy amin'ny Hajj".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Rehefa niverina avy tamin'ny Hajj fanaovam-beloma ny Mpaminany (S.A.W), dia niteny tamin'ny vehivavy Ansoary iray izay tsy nanao Hajj hoe : Inona no nanakana anao tsy nanao ny Hajj miaraka aminay?
Ka niala tsiny izy satria tsy nanana afa-tsy rameva roa izy ireo, ka ny vadiny sy ny zanany dia nanao Hajj tamin’iray tamin’izy roa, ary ny iray kosa nampiasaina tamin'ny fantsakana rano amin’ny vovo .
Dia nanazava taminy ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fanaovana Omra amin'ny volana Ramadany dia mitovy amin'ny valisoan'ny Hajj.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria Somalianina Romaniana Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny valisoan'ny Omra amin'ny volana Ramadany.
  2. Ny Omra amin'ny Ramadany dia mitovy amin'ny Hajj eo amin'ny valisoa azo, fa kosa tsy manafoana ny adidy amin'ny Hajj izany.
  3. Ny valisoan'ny asa dia mitombo arakaraky ny fitomboan'ny voninahitry ny fotoana, anisan'izany ny asa atao amin'ny Ramadany.