عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ عُمَرَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا:
أَنَّ تَلْبِيَةَ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «لَبَّيْكَ اللهُمَّ، لَبَّيْكَ، لَبَّيْكَ لَا شَرِيكَ لَكَ لَبَّيْكَ، إِنَّ الْحَمْدَ وَالنِّعْمَةَ لَكَ وَالْمُلْكَ لَا شَرِيكَ لَكَ» قَالَ: وَكَانَ عَبْدُ اللهِ بْنُ عُمَرَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُمَا يَزِيدُ فِيهَا: لَبَّيْكَ لَبَّيْكَ، وَسَعْدَيْكَ، وَالْخَيْرُ بِيَدَيْكَ، لَبَّيْكَ وَالرَّغْبَاءُ إِلَيْكَ وَالْعَمَلُ.
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 1184]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Abdollah Ibn Omar (R.A) :
Ny TALBIA nataon'ny Mpaminany (S.A.W) dia : "Labaikallaahoma labaika! Labaika la sharika laka labaika! Inalhamda wanniimata laka walmolko la sharika laka" Niteny izy : "Ary i Abdollahi Ibn Omar (R.A) nanampy tamin'izany hoe : "Labaika Labaika, Wasaadaika, Walkhair biadika, Labaika Warraghbaa Ilaika Wal-Amal.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 1184]
Ny talbiyah nataon'ny Mpaminany (S.A.W) rahefa te-hanao ny fombafomba amin'ny Hajj na omrah izy dia miteny manao hoe : (Labaikallaahoma labaika) dia valim-panontaniana tsy maintsy atao ho Anao aorian’ny famaliana izay niantsoanao anay momba ny fahadiovam-po, ny fanokanana an'I Allah, ny Hajj, sy ny zavatra hafa, (Labaika la sharika laka labaika) ianao irery no mendrika ho tompoina, tsy misy mpikambana Aminao amin'ny maha tompo sy Andrimanitra ary amin'ny Anaranao sy ny toetranao (Inalhamda) ny dera ary ny tso-drano (wanniimata) dia avy Aminao ary Ianao no Mpanome izany. (Laka) ny fihetsika rehetra dia ho Anao amin'ny zava-drehetra, (walmolko) ny fanjakana dia ho Anao koa, (La sharika laka) ka Anao irery izany. Ibn Omar (R.A) dia nanampy tamin'izany : (Labaika Labaika, Wasaadaika) ampifalio aho amin'ny fahasambarana aorian'ny fahasambarana, (Walkhair biadika) izany rehetra izany ary avy amin'ny fahasoavanao, (Labaika Warraghbaa Ilaika) ary ny fangatahana sy ny fitalahoana dia amin'izay eny an-tànany tsara, (Wal-Amal), fa ianao no mendrika ivavahana.