عَنْ ‌أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ: أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«صَلَاةٌ فِي مَسْجِدِي هَذَا خَيْرٌ مِنْ أَلْفِ صَلَاةٍ فِيمَا سِوَاهُ إِلَّا الْمَسْجِدَ الْحَرَامَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1190]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny soalat ato amin'ity moske-ko ity dia tsara noho ny soalat arivo atao any amin'ny moske hafa, afa-tsy ny Moske Masina Al-Haram."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1190]

Ny fanazavana

Nohazavain'ny Mpaminany (S.A.W) ny hasarobidin'ny soalat ao amin'ny moske-ny, ary tsara kokoa ny valisoa aminy noho ny swalat arivo any amin'ny moske hafa rehetra eto ambonin'ny tany, afa-tsy ny Moske Masina ao Lameka, izay tsara kokoa noho ny soalat ao amin'ny moske-ny (S.A.W).

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mitombo avo heny ny valisoa amin'ny fanaovana soalat ao amin'ny Moske Al-haram sy ny Moske-n'ny Mpaminany.
  2. Ny soalat ao amin'ny Moske Al-Haram dia tsara noho ny iray hetsy soalat any amin'ny moske hafa ankoatrany.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (57)