+ -

عَنْ أَنَسِ بْنِ مَالِكٍ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«سَوُّوا صُفُوفَكُمْ، فَإِنَّ تَسْوِيَةَ الصَّفِّ مِنْ تَمَامِ الصَّلَاةِ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 433]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Anas Ibn Malik (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe :
"Ahitsio ny filaharanareo, fa ny fahitsian'ny filaharana anisan'ny mahatomombana ny fivavahana Swalat."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Nandidy ireo mpivavaka ny Mpaminany (S.A.W) mba hanitsy ny filaharan’izy ireo, ary tsy hialoha na hihemotra, ary ny fanitsiana azy ireo dia anisan’ny mahatomombana ny Swalat sy ny fahalavorariany, ary ny tsy fahitsian'ny filaharana kosa dia fahadisoana na tsy fahampiana ao aminy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria Somalianina Romaniana Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha-ara-dalàna ny fikarakarana izay rehetra mameno ny Swalat sy manalavitra ny tsy fahampiana.
  2. Ny fahendren'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fampianarana, rehefa nampifandray ny didy tamin'ny antony, mba hanazava ny fahendren'ny lalàna, ary hamporisika ny olona hanaraka izany.