+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«أَمَا يَخْشَى أَحَدُكُمْ - أَوْ: لاَ يَخْشَى أَحَدُكُمْ - إِذَا رَفَعَ رَأْسَهُ قَبْلَ الإِمَامِ، أَنْ يَجْعَلَ اللَّهُ رَأْسَهُ رَأْسَ حِمَارٍ، أَوْ يَجْعَلَ اللَّهُ صُورَتَهُ صُورَةَ حِمَارٍ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 691]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Manazava momba ny fandrahonana mafy ho an'izay manainga ny lohany mialohan'ny imam (mpitarika) azy amin'ny soalat ny Mpaminany (S.A.W) fa hataon'Allah ho lohan'ny apondra ny lohany, na hataon'Allah ho sarin'ny apondra ny endriny.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Alimanina Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Misy fomba fanao efatra ho an'ny olona tarihina manoloana ny imam: telo amin'izany no voarara, dia ny hoe : mandeha alohany, miaraka aminy ary tara be. Ny azo atao : dia ny manaraka ny imam.
  2. Voadidy amin'ny olona tarihina ny fanarahana ny mpitarika amin'ny soalat.
  3. Ny fandrahonana hanova ny tavan'olona mampiakatra ny lohany aloan'ny mpitarika ho endriky ny apondra dia azo atao, ary izany dia anisan'ny fiovana endrika ratsy indrindra.