+ -

عَنْ وَابِصَةَ رضي الله عنه:
أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ رَأَى رَجُلًا صَلَّى وَحْدَهُ خَلْفَ الصَّفِّ، فَأَمَرَهُ أَنْ يُعِيدَ صَلَاتَهُ.

[حسن] - [رواه أبو داود والترمذي وابن ماجه وأحمد] - [مسند أحمد: 18000]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Wasib (R.A) :
Nahita lehilahy iray nivavaka irery tao ambadiky ny filaharana ny irak'Allah (S.A.W) ka nasainy namerina ny vavaka nataony ilay lehilahy.

[Tsara] - [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad] - [Mosnad Ahmad - 18000]

Ny fanazavana

Nahita lehilahy iray nivavaka irery tao ambadiky ny filaharana ny Mpaminany (S.A.W), ka nasainy namerina ny vavaka nataony. Satria tsy mitombina ny vavaka nataony tamin’io fotoana io.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana ho tonga aloha amin’ny vavaka miaraka sy hirosoana amin’izany, ary tsy hivavaka irery ao ambadiky ny laharan’ny vavaka mba tsy hahatonga ny fivavahany ho tsy manan-kery.
  2. Hoy I Ibn Hajar : Izay manomboka ny vavaka irery ao ambadiky ny laharana ary avy eo mikambana amin'ny filaharana alohan'ny hitsanganana amin'ny fiankohofana dia tsy voatery hamerina izany, toy ny ao amin'ny hadith Abo Bakra, raha tsy izany dia tsy maintsy manaraka ny hevitry ny hadith amin'ny ankapobeny izay noentin'i Wabisa.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Nepalianina Aldoria Romaniana Hongariana الموري Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny