1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny Fikh sy ny fitspiny

Resaka izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المؤمنين رضي الله عنها أَنَّ فَاطِمَةَ بِنْتَ أَبِي حُبَيْشٍ سَأَلَتِ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَتْ:
إِنِّي أُسْتَحَاضُ فَلاَ أَطْهُرُ، أَفَأَدَعُ الصَّلاَةَ؟ فَقَالَ: «لَا، إِنَّ ذَلِكِ عِرْقٌ، وَلَكِنْ دَعِي الصَّلاَةَ قَدْرَ الأَيَّامِ الَّتِي كُنْتِ تَحِيضِينَ فِيهَا، ثُمَّ اغْتَسِلِي وَصَلِّي».

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino silamo (R.A), niteny fa nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) i Fatima Binti Abi Hobaishi manao hoe :
Tonga fotoana foana aho ka tsy madio, Ka hijanona tsy hivavaka ve aho? Dia hoy izy namaly: “Tsia, izany dia lalan-drà izany, fa atsaharo ny fivavahana Soalat mandritry ny andro naha-fadim-bolana anareo, dia avy eo mandroa ary mivavaha”.

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 325

Ny fanazavana

Nanontany ny Mpaminany i Fatima binti Hobayshi manao hoe : "Tsy mijanona ny ràko ary mitohy izany na dia tsy tonga fotoana aza aho. Ka moa ve izany mitovy amin'ny lalànan'ny fadimbolana ihany ka hajanoko ny soalat? Hoy ny Mpaminany (S.A.W) taminy hoe : io dia rà istihàdha, rà aretina, vokatry ny fahatapan’ny lalan-drà ao amin`ny tranonjaza, fa tsy rà tonga fotoana. Raha tonga ny fotoana fadim-bolana, araka ny fanaonao isam-bolana talohan’ny naharariana noho ny istihadha, dia avelao ny soalat, ny fifehezana, ary ny zavatra hafa tsy azon’ny vehivavy tonga fotoana hatao amin’ny fotoanan’ny fadim-bolana. Rehefa tapitra io fe-potoana io dia ho madio amin’ny fadim-bolana ianao, koa sasao ny toerana misy ny rà, dia sasao avokoa ny vatanao mba hanesorana ny loto, dia mivavaha.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Voadidy amin'ny vehivavy ny mandro rehefa tapitra ny andro fadim-bolana.
  2. Tsy maintsy mivavaka ny vehivavy tratry ny istihàdah.
  3. Ny fadimbolana : dia rà voajanahary avoakan'ny tranonjaza any amin'ny fivavian'ny vehivavy ampy taona, ary tonga aminy izany mandritry ny andro voafaritra.
  4. Ny istihàdah : dia fikorianan'ny rà tsy ara-potoana avy any ambanin'ny tranonjaza.
  5. Ny maha samy hafa ny rà tonga fotoana sy ny rà istihàdah : Ny rà tonga fotoana dia mainty, matevina, ary misy fofona maimbo, ny rà istihàdah kosa dia mena manify ary tsy misy fofona maimbo.

Fanehoana ny dikan-teny

57 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
YO Yorùbá اليوروبا
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
SO Soomaali الصومالية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UZ O‘zbek الأوزبكية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية