+ -

عَنْ عَائِشَةَ أُمِّ المُؤْمِنينَ رَضي الله عنها أَنَّهَا قَالَتْ:
إِنَّ أُمَّ حَبِيبَةَ بِنْتَ جَحْشٍ الَّتِي كَانَتْ تَحْتَ عَبْدِ الرَّحْمَنِ بْنِ عَوْفٍ شَكَتْ إِلَى رَسُولِ اللهِ صلى الله عليه وسلم الدَّمَ، فَقَالَ لَهَا: «امْكُثِي قَدْرَ مَا كَانَتْ تَحْبِسُكِ حَيْضَتُكِ، ثُمَّ اغْتَسِلِي». فَكَانَتْ تَغْتَسِلُ عِنْدَ كُلِّ صَلَاةٍ.

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 334]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Aicha Renin'ny mpino (R.A) niteny :
Nitaraina tamin'ny Irak'Allah (S.A.W) i Omm Habibah binti Jahsh, izay teo ambany fiahian'i Abd al-Rahman bin Awf, momba ny rà, dia niteny izy (S.A.W) : "Mijanòna ianao mandritra ny fe-potoan'ny fadim-bolanao, avy eo dia mandroa.” dia nisasa izy isaky ny hivavaka.

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nitaraina tamin'ny Mpaminany (SAW) ny iray tamin'ireo vehivavy mpiara-dia taminy fa nandeha rà tsy an-kijanona izy. Dia nasainy nitsahatra tsy nmhanao Soalat izy raha mbola ao anatin'ny fadim-bolana talohan'ny nahatongavan'io zava-baovao io aminy, avy eo dia mandro sy mivavaka izy, ka tamin'izany izy dia nandro an-tsitrapo isaky ny hanao Soalat.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny Istihàdah : dia fitohizan'ny rà eo amin'ny vehivavy aorian'ny fadim-bolana mahazatra.
  2. Ny vehivavy voan'ny istihàdah dia mihevitra ny tenany ho tonga fadim-bolana mandritra ny isan'ireo andro naharetan'ny fadim-bolana, talohan'ny nahavoa azy ny istihàdah.
  3. Raha lasa ny isan'ny andro nahazatra azy tany am-boalohany, dia heverina ho madio amin'ny fadimbolana izy - na dia nisy rà istihàdah niaraka taminy aza - noho izany dia mandro izy aorian'ny fadimbolana.
  4. Ny vehivavy voan'ny istihàdah dia tsy voatery manao fandroana (manao ghosl) isaky ny mivavaka; Satria ny fandrona nataony dia noho ny ezaka nataony fotsiny, ary raha tsy maintsy natao izany, dia nanazava izany taminy ny irak'Allah.
  5. Ny vehivavy voan'ny istihàdah dia tsy maintsy manao ozò isaky ny mivavaka. Satria maharitra sy tsy mitsahatra ny fisehoany, ary toy izany koa ho an’ny olona rehetra izay maharitra, toy ny olona voan’ny aretina mamany lava, na ny fivoahan'ny rivotra mifampitohy.
  6. Tokony hanontany ireo manam-pahaizana amin'izay manahirana amin'ny resaka finoana, satria nitaraina tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ity vehivavy ity, ary nanontany azy momba ny rà be loatra izay mampahory azy.