+ -

عن أُمِّ عَطِيَّةَ رَضي الله عنها، وكَانَتْ بايَعَت النبيَّ صلى الله عليه وسلم، قالت:
كُنَّا لا نَعُدّ الكُدرَةَ والصُّفْرَةَ بعدَ الطُّهرِ شيئًا.

[صحيح] - [رواه أبو داود بهذا اللفظ، ورواه البخاري بدون زيادة (بعد الطهر)] - [سنن أبي داود: 307]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Omm A'tiya, ary izy dia nanao velirano tamin'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe :
Tsy noheverinay ho zavatra ny tsiranoka mavo mivoaka aorian'ny fanadiovana.

[Mari-pototra] - [Notantarain'I Abo Daòdd tamin'io rafiteny io, ary i Al-Buohari dia nitantara izany tsy nisy fanampiny (taorian'ny fanadiovana)]

Ny fanazavana

Nilaza ny mpiara-dia amin'ny Mpaminany (S.A.W) antsoina hoe : omm A'ttiya (R.A) fa ny vehivavy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W) dia tsy nihevitra ny tsiranoka mavo mivoaka avy amin'ny taovam-pananahana ho fadimbolana - ary ny lokony dia mirona makany amin'ny mainty na mavo - aorian'ny fahadiovana tamin'ny fadimbolana : ka tsy namela ny Soalat sy ny fifehezana noho izany izy ireo.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny rano mivoaka avy amin'ny fivavian'ny vehivavy - aorian'ny fahadiovana amin'ny fadimbolana - dia tsy heverina ho loto, na dia misy tsiranoka mavo azo avy amin'ny rà aza.
  2. Ny fivoahan'ny tsiranoka mavo amin`ny fotoana tonga fotoana dia heverina ho fadimbolana. Satria izany rà amin'ny fotoany, afa-tsy hoe mifangaro amin'ny rano.
  3. Ny vehivavy dia tsy mamela ny Soalat sy ny fifehezana noho ny tsiranoka mavo mipoitra aorian'ny fanadiovana, fa tokony hidio isaky ny hivavaka.