عَنْ أَبِي سَعِيدٍ الخُدْرِيِّ رضي الله عنه قَالَ: خَرَجَ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فِي أَضْحَى أَوْ فِطْرٍ إِلَى المُصَلَّى، فَمَرَّ عَلَى النِّسَاءِ، فَقَالَ:
«يَا مَعْشَرَ النِّسَاءِ، تَصَدَّقْنَ، فَإِنِّي أُرِيتُكُنَّ أَكْثَرَ أَهْلِ النَّارِ» فَقُلْنَ: وَبِمَ يَا رَسُولَ اللَّهِ؟ قَالَ: «تُكْثِرْنَ اللَّعْنَ، وَتَكْفُرْنَ العَشِيرَ، مَا رَأَيْتُ مِنْ نَاقِصَاتِ عَقْلٍ وَدِينٍ أَذْهَبَ لِلُبِّ الرَّجُلِ الحَازِمِ مِنْ إِحْدَاكُنَّ»، قُلْنَ: وَمَا نُقْصَانُ دِينِنَا وَعَقْلِنَا يَا رَسُولَ اللَّهِ؟ قَالَ: «أَلَيْسَ شَهَادَةُ المَرْأَةِ مِثْلَ نِصْفِ شَهَادَةِ الرَّجُلِ» قُلْنَ: بَلَى، قَالَ: «فَذَلِكِ مِنْ نُقْصَانِ عَقْلِهَا، أَلَيْسَ إِذَا حَاضَتْ لَمْ تُصَلِّ وَلَمْ تَصُمْ» قُلْنَ: بَلَى، قَالَ: «فَذَلِكِ مِنْ نُقْصَانِ دِينِهَا».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 304]
المزيــد ...
Tatira azo avy tamin'i Abo Saeed Al-Khodri (R.A) niteny : Nivoaka ho any amin'ny toeram-pivavahana nandritra ny Eid-al-Adha na Eid-al -Fitr i Mpaminany (S.A.W), dia nandalo teo amin'ireo vehivavy izy ka niteny manao hoe :
“Ry vehivavy, mamoaha fanomezana, fa hitako anareo no ankamaroan’ireo mponin’ny Afobe. Hoy izy ireo : "Amin"ny inona ry Irak'Allah?". Dia niteny izy hoe : “Manamaro ny ozina ianareo, ary tsy mankasitraka ny ankohonanareo, tsy mbola ahita aho olona tsy ampy saina sy fivavahana noho ny iray aminareo izay vonona kokoa hankany amin’ny fon’ny olona hentitra.” Niteny izy ireo : Ary ahoana ny tsy fahampiana amin’ny fivavahana sy ny sainay ry irak’Allah? Dia hoy izy hoe : “Tsy mitovy amin’ny antsasan'ny fijoroana vavolombelona ataon’ny lehilahy ve ianareo vehivavy?” Hoy izy ireo : “Eny", dia hoy izy : “Izany no ilazana ny tsy fahampian’ny fahiratan-tsainy, ary moave raha tonga fotoana izy dia tsy mivavaka sy mifady hanina?". Hoy izy ireo : "Eny", dia hoy izy : “Izany no tsy fahampian'ny fivavahany".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 304]
Nivoaka ho any amin’ny toeram-pivavahana tamin’ny andron’ny Eid ny Mpaminany (S.A.W) ary nampanantena ireo vehivavy izy fa hanao toriteny manokana ho azy ireo, ka notanterahiny tamin’io andro io, dia nilaza izy manao hoe: Ry vondron'ny vehivavy, mamoaha fanomezana ary mitadiava famelan-keloka matetika; Izy roa ireo no anisan'ny fomba lehibe indrindra amin'ny fanafoanana ny fahotana, satria izaho nahita tamin'ny voyage nataoko tamin'i ISRAA WAL-MIRAJ fa ianareo no mponina maro indrindra ao amin'ny afobe.
Hoy ny vehivavy iray manan-tsaina, manam-pahaizana ary manana ny maha izy azy : Ry irak’Allah ô, inona no nahatonga anay ho lasa ankamaroan’ny mponin’ny Afobe?
Hoy izy : Noho ny zavatra : Manozona sy manompa betsaka ianareo, ary mandà tsy manatanteraka ny zon'ny lehilahy. Avy eo dia namariparitra azy ireo i Mpaminany (S.A.W) tamin’ny teniny hoe : “Tsy mbola nahita ny tsy ampy saina sy fivavahana mahery noho izay manana fo, saina, tapa-kevitra, ary mahafehy tena amin’ny raharahany noho ianareo.
Hoy izy : Ry irak'Allah ô, inona no tsy fahampian'ny saina sy ny fivavahana aminay?
Hoy izy : Raha ny tsy fahampian'ny saina, ny fijoroana vavolombelona ataon'ny vehivavy roa dia mitovy amin'ny fijoroana vavolombelona ataon'ny lehilahy iray. Izany dia fihenan'ny saina, ary ny fihenan'ny fivavahana dia fihenan'ny asa soa, satria mandany alina sy andro tsy mivavaka izy noho ny fadim-bolana, ary miala amin'ny fifadian-kanina amin'ny andro Ramadany noho ny fadim-bolana, ka izany dia fihenan'ny fivavahana, saingy tsy omena tsiny amin’izany izy ireo ary tsy hahazo sazy, Satria voajanahary aminy izany, dia tahaka ny nahaterahan'ny olona sy noforoniny ho tia vola, ho maimaika amin'ny raharahany, ho tsy mahalala... sy ny sisa, fa tokony hisarika ny saina ho amin'izany ho fampitandremana amin'ny fakam-panahy amin'izy ireo.