+ -

عَنْ ‌مَحْمُودِ بْنِ لَبِيدٍ رضي الله عنه:
أَنَّ ‌عُثْمَانَ بْنَ عَفَّانَ أَرَادَ بِنَاءَ الْمَسْجِدِ فَكَرِهَ النَّاسُ ذَلِكَ، وَأَحَبُّوا أَنْ يَدَعَهُ عَلَى هَيْئَتِهِ، فَقَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ: «مَنْ بَنَى مَسْجِدًا لِلهِ بَنَى اللهُ لَهُ فِي الْجَنَّةِ مِثْلَهُ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 533]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Mahmòd bin Labìd (R.A) :
Te hanamboatra moske i Othmàn bin Affàn, saingy tsy tian’ny olona izany, ary tian'izy ireo dia ny hametrahana azy toy ny teo aloha, dia hoy izy : Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho niteny hoe: “Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Moslim - 533]

Ny fanazavana

Naniry ny hanavao indray ny Moske an'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fomba tsara kokoa noho ny fanorenana voalohany i Othman bin Affan (R.A), saingy tsy tian'ny olona izany. Noho ny fiovan'ny endrin'ilay moské amin'ny fomba nanorenana azy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W), ny moske tamin'izany dia naorina tamin'ny fotaka, ary ny tafony dia vita tamin'ny ravin-kazo, fa i Othman kosa naniry mba hanorenana azy amin’ny vato sy ny hazo, ka nilaza tamin’izy ireo i Othman fa nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Izay manangana moske mitady ny fifalian'i Allah tsy misy fizahozahoana na mila laza, Allah dia hamaly soa azy amin’ny valisoa tsara indrindra amin’ny karazana asa nataony, ary io valisoa io dia ny fananganan'Allah mitovy amin’izany ao amin’ny Paradisa.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Indoneziana Aigoria Bengaly Torkia Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina الموري Italianina Oromianina Kanadianina الولوف Azerianina Okranianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Famporisihana ny fananganana moske sy ny valisoan'izany.
  2. Ny fanitarana sy fanavaozana ny moske dia tafiditra amin'ny asa soa fanorenana.
  3. Ny maha zava-dehibe ny fahadiovam-po amin’Allah Tsitoha amin’ny asa rehetra.