عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«سَبْعَةٌ يُظِلُّهُمُ اللَّهُ تَعَالَى فِي ظِلِّهِ يَوْمَ لاَ ظِلَّ إِلَّا ظِلُّهُ: إِمَامٌ عَدْلٌ، وَشَابٌّ نَشَأَ فِي عِبَادَةِ اللَّهِ، وَرَجُلٌ قَلْبُهُ مُعَلَّقٌ فِي المَسَاجِدِ، وَرَجُلاَنِ تَحَابَّا فِي اللَّهِ، اجْتَمَعَا عَلَيْهِ وَتَفَرَّقَا عَلَيْهِ، وَرَجُلٌ دَعَتْهُ امْرَأَةٌ ذَاتُ مَنْصِبٍ وَجَمَالٍ فَقَالَ: إِنِّي أَخَافُ اللَّهَ، وَرَجُلٌ تَصَدَّقَ بِصَدَقَةٍ فَأَخْفَاهَا حَتَّى لاَ تَعْلَمَ شِمَالُهُ مَا تُنْفِقُ يَمِينُهُ، وَرَجُلٌ ذَكَرَ اللَّهَ خَالِيًا، فَفَاضَتْ عَيْنَاهُ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1423]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Olona fito no ahazo halokaloky ny tompo Allah amin'ny andro izay tsy misy haloka afa-tsy ny halony irery ihany : Mpitarika amin'ny làlana mahitsy, tanora voataiza tao anatin'ny fanompoana an'I Allah, olona nanankina ny fony amin'ny Moske, olona roa nifankatia noho ny tompo Allah ka nitambatra vokatr'izany ary nisaraka noho izany ihany koa, lehilahy iray nantsoin'ny vehivavy tsara tarehy sy mpanan-karena mba hijangajanga aminy saingy niteny hoe : Izaho dia matahotra an'I Allah, olona namoaka fanomezana tsy nirehareha; ka ny tànany havia aza tsy nahalala izay navoaky ny tànany havanana, ary olona iray nahatsiaro an'I Allah no latsa-dranomaso ka nihafara tamin'ny fahajambana".
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1423]
Nanome vaovao mahafaly i Mpaminany (S.A.W) ho an'ireo karazan'ny mpino fito izay halokalohin'I Allah Tsitoha eo amin'ny aloky ny seza fiandrianany amin'ny andro izay tsy hisy alokaloka afa-tsy ny alokalony ihany : Ny voalohany : Mpitondra marina ka tsy ratsy fitondran-tena, marina eo amin’ny olony, fa tsy mpanao tsindry hazolena; Izy no tompon'ny fahefana fara tampony, ary izay rehetra misy ifandraisany amin'ny raharahan'ny mpino silamo dia omeny ny rariny avokoa. Ny faharoa : Tovolahy iray voataiza tamin’ny fanompoana an’I Allah, ary nandany ny fahatanorany sy ny asany mandra-pahafatiny. Ny fahatelo : Lehilahy iray izay mifikitra amin’ny moske ny fony, raha mandao izany mandra-piveriny ao aminy noho ny hamafin’ny fitiavany sy ny firaiketam-po matetika amin’ny moske ary ny fitohizany ao anatiny miaraka amin’ny fo, na dia tsy nahy aza izy tonga eo amin'ny vatana ary any ivelan'ny moske. Ny fahaefatra : Lehilahy roa izay nifankatia tokoa noho I Allah, ary nitazona ny fifankatiavana ara-pivavahana ary tsy nampisaraka azy roa noho ny antony eto an-tany, nifankatia izy ireo mandra-pahatongan’ny fahafatesana nampisaraka azy ireo. Ny fahadimy : ary lehilahy nantsoin’ny vehivavy nanao zavatra mamoafady, vehivavy avy amin'ny fianakaviana ambony, be voninahitra, malaza, manam-bola, manana hatsaran-tarehy, nefa tsy nety izy ka niteny taminy hoe : Matahotra an’I Allah aho. Ny fahaenina : olona nanao asa fiantrana, na kely na be, ary tsy misehoseho izany, fa manafina izany mba tsy ho fantatry ny tanany havia izay navokan’ny tànany havanana. Ny fahafito : Lehilahy nahatsiaro an’I Allah tamin’ny fony, na tamin’ny lelany, tao amin’ny toerana mangingina lavitry ny olona, ka nirotsaka ny ranomasony noho ny fahatahorana sy ny fanomezam-boninahitra an’I Allah Tsitoha.