+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِنَّمَا بُعِثْتُ لِأُتَمِّمَ مَكَارِمَ الْأَخْلَاقِ».

[حسن] - [رواه البخاري في الأدب المفرد وأحمد والبيهقي] - [السنن الكبرى للبيهقي: 20819]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Nirahina aho mba hameno ny fitondran-tena tsara.”

[Tsara] - [رواه البخاري في الأدب المفرد وأحمد والبيهقي] - [السنن الكبرى للبيهقي - 20819]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa nirahin'I Allah Tsitoha izy mba hahatanteraka ny hasina sy ny fitondran-tena tsara. Ka ny nandefasana ny Mpaminany tohin'ireo iraka teo alohany, ary mba hahatanteraka ny fitondran-tena tsaran'ny Arabo. Satria nankatia hatsarana izy ireo ary mankahala ny ratsy, olona manana ny maha-izy azy, ny fahalalahan-tànana sy ny haja; Koa nirahina ny Mpaminany (S.A.W) hanitsy ny lesoka teo amin’ny fitondran-tenany, toy ny fireharehany amin’ny firazanana, ny fiavonavonana, ny fanamavoana ny mahantra, sy ny sisa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mamporisika ny fitondran-tena tsara ary mandrara ny mifanohitra amin'izany.
  2. Fanazavana ny maha-zava-dehibe ny fitondran-tena tsara amin'ny lalàna Islamika ary anisan'ny laharam-pahamehana izany.
  3. Ny olona talohan'ny finoana Silamo dia nanana fitondran-tena tsara tavela, anisan'izany ny fahalalahan-tànana, ny herim-po, ary ny zavatra hafa, ka ny finoana Silamo dia tonga nanampy azy ireo.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Sinhala Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الموري الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny