+ -

عَنْ سَهْلِ بْنِ سَعْدٍ رَضيَ اللهُ عنه قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«إِيَّاكُمْ وَمُحَقَّرَاتِ الذُّنُوبِ، فَإِنَّمَا مَثَلُ مُحَقَّرَاتِ الذُّنُوبِ كَقَوْمٍ نَزَلُوا فِي بَطْنِ وَادٍ، فَجَاءَ ذَا بِعُودٍ، وَجَاءَ ذَا بِعُودٍ، حَتَّى أَنْضَجُوا خُبْزَتَهُمْ، وَإِنَّ مُحَقَّرَاتِ الذُّنُوبِ مَتَى يُؤْخَذْ بِهَا صَاحِبُهَا تُهْلِكْهُ».

[صحيح] - [رواه أحمد] - [مسند أحمد: 22808]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i SAHLI IBN SAAD (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Mitandrema amin’ny fahotana madinika, fa ny ohatry ny fahotana madinika dia ny an’ny olona izay nidina tany amin’ny lohasaha lalina, ka nisy olona tonga nanototra teo amin’ny toerana iray, ary nisy olona tonga nanototra teo amin’ny toerana iray, mandra-pahafenon'izany. "Ka ny fahotana madinika dia ho sazina ny mpanao azy ka ho rendrika".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Ahmad] - [Mosnad Ahmad - 22808]

Ny fanazavana

Nampitandrina mafy i Mpaminany (S.A.W) ny amin’ny tsy firarahina ny fahotana kely, ary amin’ny fanaovana be dia be amin’izy ireny, satria ho ringana tanteraka izy ireo eo afovoan’ny lohasaha iray, ary samy nitondra tehina kely iray avy izy ireo, mandra-pahandroany ny mofony tamin’ny fitambaran’ny kitay voangona, ary raha tsy nibebaka tamin’ny fahotana kely vitany ny mpanao azy dia nandringana azy izany.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fitarihan'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fanomezana ohatra dia fanombanana ny fahatakarana sy ny fampitomboana ny fanazavana.
  2. Fampitandremana amin'ny fahotana madinika sy ny fanaovana tsinontsinona, ary mamporisika ny olona hiala amin'izany.
  3. Misy dikany roa ny ota madinika : ny voalohany : izay ataon'ny mpanompo amin'ny ota, eo ambanin'ny fiheverana fa anisan'ny fahotana madinidinika izany, nefa anisan'ny fahotana lehibe eo anatrehan'I Allah Tsitoha, ary ny faharoa : izay ataon'ny mpanompo amin'ny fahotana madinika, tsy miraharaha azy ireo, ary tsy mibebaka amin’izany, ka miangona eo aminy ireo fahotana madinika ireo mandra-pandringanany azy ho latsaka amin’ny fahotana lehibe mahafaty izy.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Sinhala Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الجورجية الماراثية
Fanehona ny dikanteny