+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«بَدَأَ الْإِسْلَامُ غَرِيبًا، وَسَيَعُودُ كَمَا بَدَأَ غَرِيبًا، فَطُوبَى لِلْغُرَبَاءِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 145]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Niatomboka ny finoana Silamo toy ny vahiny, ary hiverina amin'ny fomba niandohany toy ny vahiny ihany koa, ka sambatra ireo vahiny."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 145]

Ny fanazavana

Nanambara i Mpaminany (S.A.W) fa ny finoana Islamo dia nanomboka tamin'ny zavatra hafahafa teo amin'ny olona vitsivitsy sy fahavitsian'ny vahoakany, ary hiverina ho hafahafa izany miaraka amin'ireo olona vitsy izay manatanteraka izany araka ny nanombohany, koa fifaliana sy fitahiana ho an’ny vahiny, ary fifaliana sy anakandriamaso ho azy ireo.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Mitatitra ny fisian'ny fihafahafan'ny ny finoana Islamo taorian'ny fielezany sy ny lazany.
  2. Ahitana ny iray amin’ireo famantarana ny faminaniana, araka ny nolazain’ny Mpaminany (S.A.W) ny zavatra hitranga aoriany, ary izany no nitranga araka izay nolazaina taminy.
  3. Ny hasin'ireo nandao ny tanindrazany sy ny fianakaviany; Noho ny finoana Islamo, dia hahazo Paradisa izy.
  4. Ny vahiny no manarina izay nosimbain’ny olona, ​​ary izy ireo no manitsy izay nosimbain’ny olona.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Indoneziana Bengaly Torkia Rosiana Sinhala Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Teljo saohilia Tailandia Asamia Amharika Holandia Gojratia Aldoria Romaniana Hongariana الجورجية الماراثية
Fanehona ny dikanteny