عَنْ عُبَادَةَ بْنِ الصَّامِتِ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ، وَكَانَ شَهِدَ بَدْرًا، وَهُوَ أَحَدُ النُّقَبَاءِ لَيْلَةَ العَقَبَةِ: أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ، وَحَوْلَهُ عِصَابَةٌ مِنْ أَصْحَابِهِ:
«بَايِعُونِي عَلَى أَلَّا تُشْرِكُوا بِاللَّهِ شَيْئًا، وَلاَ تَسْرِقُوا، وَلاَ تَزْنُوا، وَلاَ تَقْتُلُوا أَوْلاَدَكُمْ، وَلاَ تَأْتُوا بِبُهْتَانٍ تَفْتَرُونَهُ بَيْنَ أَيْدِيكُمْ وَأَرْجُلِكُمْ، وَلاَ تَعْصُوا فِي مَعْرُوفٍ، فَمَنْ وَفَى مِنْكُمْ فَأَجْرُهُ عَلَى اللَّهِ، وَمَنْ أَصَابَ مِنْ ذَلِكَ شَيْئًا فَعُوقِبَ فِي الدُّنْيَا فَهُوَ كَفَّارَةٌ لَهُ، وَمَنْ أَصَابَ مِنْ ذَلِكَ شَيْئًا ثُمَّ سَتَرَهُ اللَّهُ فَهُوَ إِلَى اللَّهِ، إِنْ شَاءَ عَفَا عَنْهُ وَإِنْ شَاءَ عَاقَبَهُ» فَبَايَعْنَاهُ عَلَى ذَلِكَ.
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 18]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'ny i Obadah ibn al-Samit (R.A), izay nanatri-maso ny ady masina Badr ary iray tamin'ireo mpitarika tamin'ny alin'i Aqaba : Niteny irak'Allah (S.A.W), ary nanodidina azy ny andiany tamin'ireo namany :
“Mifaneke amiko ianareo fa tsy hanompo afa-tsy Allah irery ihany, tsy hangalatra, tsy hijangajanga, tsy mamono ny zanakareo, tsy hitondra lainga izay noforoninao teo anatrehanareo, tsy manao fahotana izay efa fantatra, Koa izay manatanteraka ny adidiny aminareo, dia any amin’I Allah ny valisoany, ary izay tsy nahatandrina izany dia voasazy eto an-tany, dia ho fanavotana ho azy izany, ary izay tsy nahatandrina ampahany tamin'izany nefa nosaronan'I Allah, dia an’I Allah izy, raha sitran'I Allah dia havelany heloka, ary raha sitrany dia hofaiziny izy.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 18]
I Obadah bin Al-Samit (R.A) dia anisan'ireo nanatri-maso ny ady masina lehibe tao Badr, ary izy no lehiben'ny vahoakany izay niroso tamin'ny fanekem-pitokisana hanohana ny irak'Allah (S.A.W), tamin'ny alin'i Aqaba tao Mina - fony ny irak'Allah mbola tany Lameka talohan'ny nifindrany monina tany Medina - Ka nipetraka teo anivon'ireo mpanaradiany ny Mpaminany (S.A.W) nangataka azy ireo mba hampanantena azy ireto zavatra manaraka ireto : Voalohany : Tsy mampifandray ny fanompoana Allah amin'ny zavatra hafa na dia kely aza. Ny faharoa : Tsy mangalatra. Ny fahatelo : Tsy mijangajanga. Ny fahefatra : Tsy mamono ny zanany izy ireo; Ny lehilahy matahotra ny fahantrana na ny vavy matahotra ny fahafaham-baraka. Ny fahadimy : Tsy tokony hilaza lainga izy ireo fa mandrafitra eo anelanelan'ny tànany sy ny tongony, satria ny ankamaroan'ny hetsika dia mitranga miaraka aminy, na dia mandray anjara aza ny rantsambatana sisa. Ny fahenina : Tsy mikomy an'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny zavatra tsara. Izay mifikitra amin'ny fanekena sy manaiky izany, dia ho amin'I Allah ny valisoany, ary izay nanao zavatra iray amin'ireo voalaza - ankoatra ny fanompoan-tsampy - dia voasazy amin'izany eto an-tany miaraka amin'ny sazy mihatra aminy, ho fanafahana azy izany ary hofoanana ny ota, ary izay manao ny iray amin’izany ka voasaronan’I Allah izy dia miankina amin’I Allah ny raharahany; Raha sitrany, dia hamela azy Izy, ary raha sitrany, dia hofaiziny izay rehetra nanatrika izany.