عن جابر رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«رَحِمَ اللهُ رَجُلًا سَمْحًا إِذَا بَاعَ، وَإِذَا اشْتَرَى، وَإِذَا اقْتَضَى».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 2076]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i JABIR (R.A), fa niteny i mpaminany (S.A.W) ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah ka nanao hoe :
"Allah dia hamindra fo amin'izay olona miantra rehefa mivarotra, na mividy, na mitrosa."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 2076]

Ny fanazavana

Nangataka famindram-po ho an'izay mora sy malala-tanana eo amin'ny fivarotana i Mpaminany (S.A.W). Tsy manaikitra loatra amin'ny vidin'ny entana eo amin'ny mpividy ary maneho ny hatsaram-panahy. Tsotra sy malala-tanana rehefa mividy; ary tsy manambany sy mampihena ny sandan’ny entana Izy, Tsotra sy malefaka raha mitaky ny handoa ny trosany izy; tsy manery ny ory sy ny mahantra izy, fa mangataka aminy amim-pahalemem-panahy ary mamindra fo amin'ny mahantra.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Iray amin'ireo tanjon'ny lalàna islamika ny hitazona izay mahasoa ny fifandraisan'ny olona.
  2. Famporisihana ny fampiasana ny fitondran-tena ambony amin'ny fifampiraharahana eo amin'ny olona, ​​toy ny fividianana sy fivarotana, sy izay mitovy amin'izany.
Fanehoana ny dikan-teny
Ny Fiteny: الإنجليزية الأوردية الإسبانية Ny Fanampiny (69)