+ -

عن جابر رضي الله عنه أن رسول الله صلى الله عليه وسلم قال:
«رَحِمَ اللهُ رَجُلًا سَمْحًا إِذَا بَاعَ، وَإِذَا اشْتَرَى، وَإِذَا اقْتَضَى».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 2076]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i JABIR (r.a), fa niteny i mpaminany (saw) ilay Iraka mahafatokin'ny Tompo Allah ka nanao hoe :
"Allah dia hamindra fo amin'izay olona miantra rehefa mivarotra, na mividy, na mitrosa."

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Nangataka famindram-po ho an'izay mora sy malala-tanana eo amin'ny fivarotana i Mpaminany (saw). Tsy manaikitra loatra amin'ny vidin'ny entana eo amin'ny mpividy ary maneho ny hatsaram-panahy. Tsotra sy malala-tanana rehefa mividy; ary tsy manambany sy mampihena ny sandan’ny entana Izy, Tsotra sy malefaka raha mitaky ny handoa ny trosany izy; tsy manery ny ory sy ny mahantra izy, fa mangataka aminy amim-pahalemem-panahy ary mamindra fo amin'ny mahantra.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Iray amin'ireo tanjon'ny lalàna islamika ny hitazona izay mahasoa ny fifandraisan'ny olona.
  2. Famporisihana ny fampiasana ny fitondran-tena ambony amin'ny fifampiraharahana eo amin'ny olona, ​​toy ny fividianana sy fivarotana, sy izay mitovy amin'izany.