عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«رَغِمَ أَنْفُ، ثُمَّ رَغِمَ أَنْفُ، ثُمَّ رَغِمَ أَنْفُ»، قِيلَ: مَنْ؟ يَا رَسُولَ اللهِ قَالَ: «مَنْ أَدْرَكَ أَبَوَيْهِ عِنْدَ الْكِبَرِ، أَحَدَهُمَا أَوْ كِلَيْهِمَا فَلَمْ يَدْخُلِ الْجَنَّةَ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2551]
المزيــد ...

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Maty antoka, maty antoka, maty antoka", nanontany izy ireo hoe : "Iza izany ry Irak'I Allah?", Namaly izy hoe : "Izay nahatratra ny ray aman-dreniny antitra, na iray na izy roa nefa tsy niditra amin'ny Paradisa".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2551]

Ny fanazavana

Nangataka fahafaham-baraka sy faty antoka mandram-pametrahany ny orony eny amin'ny tany - naveriny in-telo -ny Mpaminany (S.A.W) dia nanontany ireo mpanara_diany hoe : Iza ny olona nangatahanao ratsy io ry irak'i Allah".
Dia namaly ny Mpaminany (S.A.W) hoe : izay nahatratra ny ray aman-dreniny antitra - iray amin'izy ireo na izy roa - ka tsy nahavita nampiditra azy tao amin'ny Paradisa; satria tsy nanao soa sy tsy nanaja azy roa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Voadidy ny fanajana ny ray aman-dreny ary izy io dia isan'ireo antony mampiditra ao amin'ny Paradisa, indrindra amin'ny fahanteran'izy roa sy faharefoany.
  2. Ny tsy fanajana ny ray aman-dreny dia isan'ny fahotana lehibe.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (52)