+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ:
كَانَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَسِيرُ فِي طَرِيقِ مَكَّةَ، فَمَرَّ عَلَى جَبَلٍ يُقَالُ لَهُ جُمْدَانُ، فَقَالَ: «سِيرُوا هَذَا جُمْدَانُ، سَبَقَ الْمُفَرِّدُونَ» قَالُوا: وَمَا الْمُفَرِّدُونَ يَا رَسُولَ اللهِ؟ قَالَ: «الذَّاكِرُونَ اللهَ كَثِيرًا وَالذَّاكِرَاتُ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2676]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy :
Nandeha teny amin'ny làlan'ny Makka ny Mpaminany (S.A.W) ka nandalo teo amin'ny tendrombohitra iray antsoina hoe : "Jomdan", dia hoy izy hoe : Mandehana ianareo fa io i Jomdan, nialoha làlana ireo mofarridona". nanontany ireo mpanara_diany hoe : iza ireo Mofarridona ry irak'I Allah ? dia namaly izy hoe : "Ireo izay mpahatsiaro an'I Allah im-betsaka lahy na vavy".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2676]

Ny fanazavana

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) ny toeram-boninahitra misy ireo mpahatsiaro im-betsaka an'I Allah, izy ireo dia nandeha tokana ary nialoha làlana ny hafa amin'ny fahazoana voninahitra ambony ao amin'ny Paradisa, ary nampitoviny izy ireo tamin'ny tendrombohitra Jomdan izay niavaka amin'ny hafa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Tsara ny fanaovana im-betsaka ny Zikri sy fandaniam-potoana aminy, satria hahazoana laharana aloha amin'ny andro farany dia vokatry ny fanaovana asa fankatoavana betsaka, ary fanokanana ny fanompoana ho an'I Allah irery ihany.
  2. Ny fahatsiarovana an'I Allah dia mety ho amin'ny alalan'ny lela fotsiny, na amin'ny fo fotsiny, na amin'ny lela sy ny fo miaraka, ary izany avo lenta indrindra aminy.
  3. Isan'ny Zikr ireo tonom-bavaka ara-dalàna voafaritra, toy ny tonom_bavaka vakina amin'ny maraina sy ny hariva, ary aorian'ireo Swalat dimy isan'andro sy ny ankoatr'izay.
  4. Niteny i Nawawi : Fantaro fa ny Zikri dia tsy noferana amin'ny fitenenana hoe "Soubhanallah" na "Lailaha illallah" na "Alhamdollih'" ihany na ny ankoatrany, fa ny rehetra manao asa fankatoavana an'I Allah dia mpanao Zikr avokoa (nahatsiaro an'I Allah).
  5. Ny fahatsiarovana an'I Allah dia iray amin'ireo antony lehibe hananana fifikirana amin'ny finoana; niteny Allah manao hoe : (O ry mpino ! Raha mifanatrika amin'ireo andiantafiky ny fahavalo ianareo, dia mivonona tsara ary hahatsiaro im-betsaka an'I Allah mba hahazoanareo fahombiazana) [Al-Anfal : 45].
  6. Ny endrika fampitahana ireo mpahatsiaro an'I Allah amin'ny tendrombohitra Jomdan dia ny fiavahana sy fitokanana irery; ka ny tendrombohitra jomdan dia miavaka amin'ireo tendrombohitra hafa, dia tahak'izany koa ireo mpahatsiaro an'I Allah, ka ny miavaka dia ilay niavaka ny fony sy lelany amin'ny fahatsiarovana ny tompony, eny fa na dia mifangaro amin'olona aza izy, sy nahafinaritra azy ny fotoana nitokanany ary nahatsiaro ho manirery izy nandritra ny fotoana nifaneraserany tamin’ny olona, ary mety ho endrika fampitahana ihany koa ny hoe fahatsiarovana an'Allah antony mampitsatoka mafy amin'ny finoana tahaky ny tendrombohitra mampitsatoka tsara ny tany,
  7. na koa fahazoana lohalaharana eto an-tany sy any an-koatra toy ny mpandeha lavitra avy any Madina mandeha any Makka rehefa tonga eo amin'ny Jomdan dia efa famantarana fa tonga ao makkat, ary izay tonga eo aminy dia efa nialohalalana, dia tahak'izany koa ireo mpahatsiaro an'Allah dia nialohalalana ny hafa noho ny habetsahan'ny fahatsiarovany an'Allah, Allah no tena mahalala azy.
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana الموري Oromianina Kanadianina الجورجية
Fanehona ny dikanteny