+ -

عن أبي هريرة رضي الله عنه
عَنِ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فِيمَا يَحْكِي عَنْ رَبِّهِ عَزَّ وَجَلَّ، قَالَ: «أَذْنَبَ عَبْدٌ ذَنْبًا، فَقَالَ: اللَّهُمَّ اغْفِرْ لِي ذَنْبِي، فَقَالَ تَبَارَكَ وَتَعَالَى: أَذْنَبَ عَبْدِي ذَنْبًا، فَعَلِمَ أَنَّ لَهُ رَبًّا يَغْفِرُ الذَّنْبَ، وَيَأْخُذُ بِالذَّنْبِ، ثُمَّ عَادَ فَأَذْنَبَ، فَقَالَ: أَيْ رَبِّ اغْفِرْ لِي ذَنْبِي، فَقَالَ تَبَارَكَ وَتَعَالَى: عَبْدِي أَذْنَبَ ذَنْبًا، فَعَلِمَ أَنَّ لَهُ رَبًّا يَغْفِرُ الذَّنْبَ، وَيَأْخُذُ بِالذَّنْبِ، ثُمَّ عَادَ فَأَذْنَبَ، فَقَالَ: أَيْ رَبِّ اغْفِرْ لِي ذَنْبِي، فَقَالَ تَبَارَكَ وَتَعَالَى: أَذْنَبَ عَبْدِي ذَنْبًا، فَعَلِمَ أَنَّ لَهُ رَبًّا يَغْفِرُ الذَّنْبَ، وَيَأْخُذُ بِالذَّنْبِ، اعْمَلْ مَا شِئْتَ فَقَدْ غَفَرْتُ لَكَ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح مسلم: 2758]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'Abou Huraira (RA)
Azo avy tamin'ny Mpaminany (S.W.A), araky ny notantarainy avy tamin'ny tompony manao hoe : "Nanota ny mpanompo iray ka niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, avy eo dia niverina nanota izy dia niteny hoe : Tompo ô, mamelà ny fahotako; dia hoy ilay Avo Tsitoha hoe : Nanota ny mpanompoko, ary fantany fa manana tompo mamela ny heloka sy manasazy amin’ny ota izy, ataovy izay tianao atao fa efa navelako ny fahtoanao".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Ny Mpaminany (S.W.A), dia mitantara avy amin'ny Tompony fa raha misy mpanompo manao fahotana ka miteny hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, dia miteny i Allah ilay avo Tsitoha manao hoe : Ny Mpanompoko dia manota, ary Izy mahalala sy mahafantatra fa manana Tompo Mpamela heloka, ka saronany sy fafany izany, na koa mety manasazy azy, dia namela Azy Aho. Ka niverina nanota indray ilay mpanompo ka niteny hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, hoy i Tompo Allah manao hoe : Ny Mpanompoko dia manota, ary Izy mahalala fa manana Tompo Mpamela ny heloka, ka dia ho saronany na hofafany na manasazy azy, dia namela ny heloka ny mpanompoko Aho. Ka mbola niverina nanota indray ilay Andevo dia Niteny ka nanao hoe : Tompo Allah ô, mamelà ny fahotako, ka hoy i Tompo Allah ilay avo Tsitoha : Ny Mpanompoko dia manota, ary Izy mahalala sy mahafantatra fa manana Tompo Mpamela heloka, ka dia manarona izany Izy ka tsy mamafa izany, na manasazy Azy, dia namela ny heloka ny Mpanompoko Aho. Avelako Izy hanao izay tiany, raha mbola manao ota isaky ny miala amin'ny fahotana izy, manenina, ary manapa-kevitra ny tsy hanao izany intsony, fa ny tenany no mandresy Azy ka latsaka amin'ny fahotana indray Izao, dia manota Izy ka mibebaka, dia havelako ny helony, fa ny fibebahana dia mandrava izay teo alohany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny halehiben’ny famindrampon’i Tompo Allah amin’ny Mpanompony, ary na inona na inona fahotana na ataon’ny Olona iray, raha mibebaka Aminy sy mitodika Aminy Izy, dia hibebaka Aminy i Tompo Allah.
  2. Ny Mpino an’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha dia manantena ny famelan-keloka avy amin’ny Tompony, ary matahotra ny famaizana avy Aminy, ka dia mibebaka faingana Izy ka tsy manohy ny ota intsony.
  3. Fepetra ahafahana mibebaka marina : mifady sy mamela ny Ota, manenina amin'izany ary manapa-kevitra ny tsy hiverina amin'ny Ota izany intsony. Raha ny fibebahana dia avy amin'ny tsy rariny amin'ny Olona amin'ny resaka vola, voninahitra, na fanahy, dia asiana fepetra faha-efatra, dia ny hoe : fialana amin' ny Zon’ny Olona manan-jo, na mamerina Aminy ny Zony.
  4. Ny maha zava-dehibe ny fahalalana momba ny tompo Allah, izay mampahalala ny mpanompo hahafantatra momba ny finoany, ka hibebaka isaky ny manota, ka tsy kivy sy miavarolavo.