عَن أَبِي بُرْدَةَ بْنِ أَبِي مُوسَى رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ:
وَجِعَ أَبُو مُوسَى وَجَعًا شَدِيدًا، فَغُشِيَ عَلَيْهِ وَرَأْسُهُ فِي حَجْرِ امْرَأَةٍ مِنْ أَهْلِهِ، فَلَمْ يَسْتَطِعْ أَنْ يَرُدَّ عَلَيْهَا شَيْئًا، فَلَمَّا أَفَاقَ، قَالَ: أَنَا بَرِيءٌ مِمَّنْ بَرِئَ مِنْهُ رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، إِنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ بَرِئَ مِنَ الصَّالِقَةِ وَالحَالِقَةِ وَالشَّاقَّةِ.
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1296]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Bordah bin Abi Mosa (R.A) niteny :
Nanaintaina mafy i Abo Mosa, ary nitolefika teo am-pofoan'ny vehivavy iray avy amin'ny fianakaviany ny lohany, ary tsy afaka namaly azy, dia hoy izy : “Izaho dia manalavitra izay zavatra nalavirin'ny Mpaminany (S.A.W), Tena marina fa i Mpaminany (S.A.W) dia nanalavitra ireo vehivavy mihiakiaka sy manapa-bolo ary mandrovitra lamba.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1296]
Notantarain'I Abo Bordah (R.A) fa ny rainy, Abo Mosa Al-Ash'ari, dia narary mafy ary torana, ary ny lohany dia teo am-pofoan'ny vehivavy iray avy amin'ny fianakaviany. Nitomany sy nihiakihaka izy, saingy tsy nahavaly na inona na inona izy noho ny tsy fahatsiarovan-tena. Rehefa sitrana izy, dia hoy izy : Izaho dia manalavitra tamin’izay nalavirin’ny Mpaminany (S.A.W), ary i Mpaminany (S.A.W) nanalavitra tamin'ny : Mihiakihaka : Izany dia mampiakatra ny feony rehefa tra-doza. Ny mpanao sola : Izany dia fanapahana ny volony raha sendra loza. Ary mpandrovitra : izany dia mandrovitra ny akanjony raha sendra loza. Satria izany rehetra izany dia isany asa fanaon'ny olona vanompotoan'ny habadoana, fa kosa i Mpaminany (S.A.w) nanome baiko mba hanam-paharetana manoloana ny loza, ary hikatsaka ny valisoa avy amin'I Allah.