عَنْ طَاوُسٍ أَنَّهُ قَالَ: أَدْرَكْتُ نَاسًا مِنْ أَصْحَابِ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، يَقُولُونَ كُلُّ شَيْءٍ بِقَدَرٍ، قَالَ: وَسَمِعْتُ عَبْدَ اللهِ بْنَ عُمَرَ رضي الله عنهما يَقُولُ: قَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«كُلُّ شَيْءٍ بِقَدَرٍ، حَتَّى الْعَجْزِ وَالْكَيْسِ، أَوِ الْكَيْسِ وَالْعَجْزِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2655]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Taosy (R.A) fa tena marina Izy Niteny ka nanao hoe : Nahita sy nahatratra andian'ireo Mpiara-dian'ny Mpaminany (S.W.A) Nilaza fa ny zava-drehetra dia lahatra, ka Niteny Izy hoe : Izaho nandre an'i Abdollahi ibn Oumar (R.A) Nilaza hoe : Niteny ilay Irak'Allah (S.A.W) nanao hoe :
"Ny zava-drehetra dia voalahatra, hatramin'ny tsy fahafahana sy ny fiezahana, na ny fiezahana sy ny tsy fahafahana".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2655]

Ny fanazavana

Nanazava i Mpaminany (S.A.W) fa ny zavatra rehetra dia efa voalahatra avokoa; Na dia ny tsy fahafana ary izany dia : famelana izay tsy maintsy atao sy ny fanatarana izany amin'ny fotoanany, mahakasika ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary hatramin'ny ezaka izany dia : Fahavitrihana sy fahaiza-manao amin’ny raharaha eto an-tany sy ny any ankoatra. Ary i Allah dia efa nandahatra ny tsy fahafahana sy ny fazotoana ary ny zavatra rehetra, tsy misy zavatra miseho eto amin'izao tontolo izao afa-tsy hoe efa voalahatra amin'ny fahalalan'i Tompo Allah avokoa ary efa sitrany ihany koa.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanazavana ny foto-pinoan'ireo mpiara-dian'ny Mpaminany (S.A.W) momba ny lahatra,
  2. Ny zava-drehetra dia nalahatr'i Allah na dia ny tsy fahafahana sy ny fahazotoana aza izany.
  3. Tazana ny fitandreman'ireo Mpanaradian'ny Mpaminany (S.A.W), tamin'ny fampitana ny Hadithe-n'ny Iraka mahafatokin'i Tompo Allah.
  4. Ny finoana sy ny fanekena ny lahatra rehetra na tsara na ratsy.
Fanehona ny dikanteny
Ny teny: Anglisy Ordo Espana Fanampiny (65)