+ -

عَنْ عَبْدِ اللهِ بْنِ عَمْرِو بْنِ الْعَاصِ رضي الله عنهما قَالَ: سَمِعْتُ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَقُولُ:
«كَتَبَ اللهُ مَقَادِيرَ الْخَلَائِقِ قَبْلَ أَنْ يَخْلُقَ السَّمَاوَاتِ وَالْأَرْضَ بِخَمْسِينَ أَلْفَ سَنَةٍ، قَالَ: وَعَرْشُهُ عَلَى الْمَاءِ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2653]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abdillah ibn 'Amr ibn Al-'às (RD), Niteny ka nanao hoe : Izaho naheno an'ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) Niteny ka nanao hoe :
" Nosaratan'i Tompo Allah ireo didy momba ny lahatra amin'ireo zavaboary talohan'ny Nanamboaran'i Tompo Allah ireo lanitra sy ny tany teo amin'ny dimy alina taona , ka hoy Izy nanao hoe : “ Ary eo ambonin’ny rano ny seza fiandrianany .”

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa i Tompo Allah dia nanoratra ny amin'ny antsipiriany ny anjaran'ny zavaboary tsirairay izay mbola hitranga eo amin'ny fiainan'izy ireo, toy ny fiainana, ny fahafatesana, ny fivelomana sy ny zavatra hafa maro ihany koa, ao amin'ny solaitrabe voatahiry dimy alina taona talohan'ny namoronany ny lanitra sy ny tany, dia ho tanteraka avokoa izany arakan'izay efa nandidiany fanapahan-kevitran’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha Ka izay zavatra rehetra miseho sy mitranga dia araka ny lahatra izay efa nandaharan'ny Tompo Allah azy. Ka izay rehetra manjo sy mahazo ny mpanompo iray dia tsy hafaka ho tafihala amin'izany Izy, ary izay rehetra tsy nanjo sy tsy nahavoa Azy ihany koa dia efa voasoratra Aminy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Bosnia Sinhala India Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia Malayalamia Teljo saohilia Birmana Tailandia Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Azerianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha Obligatoara fa tsy maintsy hinoana ny Anjara sy ny Lahatra.
  2. Ny Lahatra dia ny hoe : Fahalalan'i Tompo Allah an'ireo zavatra rehetra sy ny fanoratana Azy ary ny fankasitrahany sy ny famoronany Azy.
  3. Ny finoana dia milaza fa efa nisoratana avokoa talohan’ny nahariana sy nanamboarana ny Lanitra sy ny Tany ny Lahatra dia ny manome fahafaham-po sy fanekena Anao.
  4. Teo ambonin’ny rano ny seza fiandrianan’ny Be famindrampo talohan’ny nahariana ny Lanitra sy ny Tany.