+ -

عن ابن عباس رضي الله عنهما قال:
كُنْتُ خَلْفَ رَسُولِ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ يَوْمًا، فَقَالَ: «يَا غُلَامُ، إِنِّي أُعَلِّمُكَ كَلِمَاتٍ، احْفَظِ اللهَ يَحْفَظْكَ، احْفَظِ اللهَ تَجِدْهُ تُجَاهَكَ، إِذَا سَأَلْتَ فَاسْأَلِ اللهَ، وَإِذَا اسْتَعَنْتَ فَاسْتَعِنْ بِاللهِ، وَاعْلَمْ أَنَّ الْأُمَّةَ لَوِ اجْتَمَعَتْ عَلَى أَنْ يَنْفَعُوكَ بِشَيْءٍ، لَمْ يَنْفَعُوكَ إِلَّا بِشَيْءٍ قَدْ كَتَبَهُ اللهُ لَكَ، وَلَوِ اجْتَمَعُوا عَلَى أَنْ يَضُرُّوكَ بِشَيْءٍ، لَمْ يَضُرُّوكَ إِلَّا بِشَيْءٍ قَدْ كَتَبَهُ اللهُ عَلَيْكَ، رُفِعَتِ الْأَقْلَامُ وَجَفَّتِ الصُّحُفُ».

[صحيح] - [رواه الترمذي] - [سنن الترمذي: 2516]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Ibn Abbas (R.A) niteny :
Tao aorian'ny Mpaminany (S.W.A) aho indray andro dia niteny izy manao hoe : " O ry ankizy! hampianariko teny maromaro ianao : Arovy Allah dia hiaro anao Izy; Arovy Allah dia ho tojonao manatrika Anao Izy; raha hangataka ianao dia mangataha amin'Allah; raha hangata-pitahiana kosa ianao dia mangataha fitahiana amin'Allah; ary fantaro fa na dia hitambatra aza ny vahoaka rehetra hanasoa anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanasoa anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra izay efa nosoratan'Allah ho azonao; ary raha hitambatra izy ireo mba hanisy ratsy anao amin'ny zavatra iray, dia tsy hahavita hanao ratsy anao izy ireo afa-tsy amin'ny zavatra efa nosoratan'Allah hanjò Anao; efa nampiakarina ny penina, ary efa maina ny takelaka ".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì]

Ny fanazavana

I Ibn A'bbàs (R.A) dia mitantara fa tamin'ny izy mbola kely nitaingina niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W), dia hoy izy taminy hoe : Hampianatra anao ireo zavatra izay hanasoavan'Allah anao aho :
Arovy Allah amin’ny fitandremana ireo didiny sy ny fisitahana an'ireo fandrarany, mba hahitany anao ao anatin’ny fankatoavana Azy sy ny fanakaikazana Azy, ary tsy ho hitany mihitsy ao anatin’ny tsy fankatoavana sy ny fahotana. Ary raha hanao izany rehetra izany ianao dia ny valisoa omeny anao ny fiarovany anao amin'ny haratsiana eto an-tany sy ny any an-koatra, ary omeny fandresena amin'ny asa ataonao na aiza na aiza ny toerana halehanao.
Raha tia hangataka zavatra ianao dia aza mangataka afa-tsy amin’Allah irery ihany, satria Izy irery no mamaly ireo mpangataka.
Ary raha mila fanampiana ianao dia mitadiava fanampiana amin’Allah.
Ary aoka ho hanana toky feno ianao fa tsy hisy fahasoavana ho tonga aminao, na dia mifarimbona ny hanasoa anao ny olona rehetra ambonin'ny tany, dia tsy hisy zavatra azonao afa-tsy izay efa nosoratan'Allah ho anao, ary tsy hisy loza hanjo anao, na dia nitambatra hanimba anao aza ny olona rehetra ambonin'ny tany, afa-tsy izay efa nosoratan'Allah hahavoa anao.
Io raharaha io dia nosoratan’Allah ilay avo Tsitoha ary nalahatrany mifanaraka amin'ny fahendreny sy ny fahalalany, ary tsy misy fanovana amin'izay efa vosaoratr'Allah.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Tajakianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Oromianina Kanadianina Ozbekianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny maha-zava-dehibe ny fampianarana ireo zaza sy ny ankizy momba ny finoana, toy ny fanokanana an'Allah sy ny fahalalam-pomba ary ny ankoatr'izay.
  2. Ny valisoa rehetra dia mifanaraka amin'ny asa atao.
  3. Voadidy ny miantehitra amin'Allah, sy fitokisana azy tsy misy ankoatrany, ary izy no mpiahy tsara indrindra.
  4. Ny finoana ny anjara sy ny lahatra ary ny fahafaham-po amin’izany, ary Allah nandahatra ny zavatra rehetra.
  5. Izay manary ny didin’Allah, dia hamery azy Allaharya tsy hiaro azy.