عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«يَعْقِدُ الشَّيْطَانُ عَلَى قَافِيَةِ رَأْسِ أَحَدِكُمْ إِذَا هُوَ نَامَ ثَلاَثَ عُقَدٍ يَضْرِبُ كُلَّ عُقْدَةٍ عَلَيْكَ لَيْلٌ طَوِيلٌ، فَارْقُدْ، فَإِنِ اسْتَيْقَظَ فَذَكَرَ اللَّهَ، انْحَلَّتْ عُقْدَةٌ، فَإِنْ تَوَضَّأَ انْحَلَّتْ عُقْدَةٌ، فَإِنْ صَلَّى انْحَلَّتْ عُقْدَةٌ، فَأَصْبَحَ نَشِيطًا طَيِّبَ النَّفْسِ، وَإِلَّا أَصْبَحَ خَبِيثَ النَّفْسِ كَسْلاَنَ».
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 1142]
المزيــد ...
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“I Satana dia mamatotra amin’ny lohan’ny iray aminareo, rehefa matory izy fatotra telo, ka isaky ny fatotra iray izy dia mikapoka ary miteny hoe: Mbola lava ny alinao ka matoria raha mifoha izy ka mahatsiaro an'I Allah dia mivaha ny fatorana iray, ary raha manao ozo izy dia mivaha ny fatotra iray, ary raha mivavaka izy dia mivaha ny fatorana iray, ka lasa mavitrika izy ary mahazo aina tsara, raha tsy izany dia lasa ratsy fanahy sy kamo.”
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 1142]
Mitantara ny toe-piainan'i Satana ny Mpaminany (S.A.W) sy ny ady ataony amin'ny olona te hifoha hanao vavaka amin'ny alina na amin'ny maraina.
Rehefa matory ny mpino dia mamatotra fatotra telo amin’ny lohany ny Satana - izany hoe : ny fiafaran'ny lohany.
Raha mifoha ny mpino ka mahatsiaro an’I Allah ilay Tsitoha ary tsy mamaly ny bitsiky ny satana; dia mivaha ny fatorana iray.
Raha manao ozo izy dia mivaha ny fatorana hafa. -
Raha mitsangana izy ka mivavaka, dia mivaha ny fatotra fahatelo, ary lasa mavitrika sy tsara fanahy izy. Satria faly amin’ny fankatoavana nomen’I Allah azy izy, ka mifaly amin’izay nampanantenain’I Allah azy ny amin’ny valisoa sy ny famelan-keloka, miaraka amin'ny fialan'ny fatotry ny satana eo aminy sy ny fampiraiketany azy, raha tsy izany dia lasa ratsy fanahy izy, malahelo am-po, kamo manao asa soa sy marina. Satria voafatotry ny tadin'ny Satana, ary lavitry ny fanantonana an’Ilay Be famindram_po.