+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«لَا تَصْحَبُ الْمَلَائِكَةُ رُفْقَةً فِيهَا كَلْبٌ وَلَا جَرَسٌ».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 2113]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
"Ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona izay misy alika na lakolosy."

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim] - [Sahìh Moslim - 2113]

Ny fanazavana

Nilaza ny Mpaminany (S.A.W) fa ny anjely dia tsy miaraka amin'ny vondrona manao dia miaraka amin'ny alika, na lakolosy mihantona amin'ny biby fitaingenana, natao izany mba hamoaka feo raha mihetsika izy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina Kanadianina الولوف
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Voarara ny miompy sy miaraka amin'ny alika, afa-tsy ny alika mpihaza na mpiambina.
  2. Ny anjely izay tsy mety miaraka dia ireo anjelin’ny famindram-po, fa ny anjely mpiambina kosa tsy mandao ny mpanompo rehefa eo an-toerana izy na mandeha.
  3. Fandrarana amin'ny lakolosy; Satria anisan’ny sodin’i Satana izy io, ary mitovy amin’ny lakolosy ny kristianina.
  4. Ny mpino silamo dia tsy maintsy miezaka manalavitra hatrany ny zavatra rehetra izay hanalaviran'ny anjely azy.