عَنْ أَبِي عَبْدِ الرَّحْمَنِ عَبْدِ اللَّهِ بْنِ مَسْعُودٍ رَضِيَ اللَّهُ عَنْهُ قَالَ:
حَدَّثَنَا رَسُولُ اللَّهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ وَهُوَ الصَّادِقُ المَصْدُوقُ: «إِنَّ أَحَدَكُمْ يُجْمَعُ خَلْقُهُ فِي بَطْنِ أُمِّهِ أَرْبَعِينَ يَوْمًا، ثُمَّ يَكُونُ عَلَقَةً مِثْلَ ذَلِكَ، ثُمَّ يَكُونُ مُضْغَةً مِثْلَ ذَلِكَ، ثُمَّ يُرْسَلُ إلَيْهِ المَلَكُ فَيَنْفُخُ فِيهِ الرُّوحَ، وَيُؤْمَرُ بِأَرْبَعِ كَلِمَاتٍ: بِكَتْبِ رِزْقِهِ، وَأَجَلِهِ، وَعَمَلِهِ، وَشَقِيٍّ أَوْ سَعِيدٍ؛ فَوَالَّذِي لَا إلَهَ غَيْرُهُ إنَّ أَحَدَكُمْ لَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ الجَنَّةِ حَتَّى مَا يَكُونُ بَيْنَهُ وَبَيْنَهَا إلَّا ذِرَاعٌ فَيَسْبِقُ عَلَيْهِ الكِتَابُ فَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ النَّارِ فَيَدْخُلُهَا، وَإِنَّ أَحَدَكُمْ لَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ النَّارِ حَتَّى مَا يَكُونُ بَيْنَهُ وَبَيْنَهَا إلَّا ذِرَاعٌ، فَيَسْبِقُ عَلَيْهِ الكِتَابُ فَيَعْمَلُ بِعَمَلِ أَهْلِ الجَنَّةِ فَيَدْخُلُهَا».
المزيد
Tatitra azo avy tamin'i Abdo rahmani Abdullah Ibn Massoud (R.A) niteny hoe :
Niteny taminay i Mpaminany (S.W.A) ary Izy ilay marina mahafatoky indrindra : "Tena marina fa ny tsirairay Aminareo dia mandalo dingana maromaro ny fiforonany ao an-kibon-dreniny, efapolo andro (Izy dia ranon'aina), avy eo lasa vongan-drà mandritra ny fotoana mitovy amin'izany, avy eo lasa vainga-nofo mandritra ny fotoana mitovy amin'izany ihany koa. Avy eo alefa aminy ny Anjely ka mitsoka ny aina ao Aminy, ary iray hanoratra zavatra efatra: hanoratra ny anjaram-pivelomany, sy ny fe-potoana hiainany, sy ny asany, ary Olon'ny fijaliana ve izy sa Olon'ny fiadanana. Ary Izaho dia mifanta amin'I Tompo Allah, izay tsy misy tompo mendrika ho tompoina marina ankoatra Azy, fa tena misy Aminareo tokoa ny manao asa fanaon'ireo Olon'ny Paradisa (araka ny miseho amin'Olona sy ny fahitan'izy ireo azy), hany ka tsy misy afa-tsy hakiho sisa no mampisaraka azy amin'izany, dia iny fa mandresy azy ilay boky, ka manao asan'ireo Olon'ny Afobe Izy, dia miditra amin'izany. Ary tena misy Aminareo tokoa ny manao asa fanaon'ireo Olon'ny Afobe (araka ny miseho amin'Olona sy ny fahitan'izy ireo azy), hany ka tsy misy afa-tsy hakiho sisa no mampisaraka Azy amin'izany, dia iny fa mandresy azy ilay boky, ka manao asan'ireo Olon'ny Paradisa Izy, dia miditra amin'izany ".