+ -

عَنِ ابْنِ عَبَّاسٍ رضي الله عنهما:
أَنَّ رَجُلًا أَتَى النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَكَلَّمَهُ فِي بَعْضِ الْأَمْرِ، فَقَالَ: مَا شَاءَ اللهُ وَشِئْتَ، فَقَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «أَجَعَلْتَنِي لِلَّهِ عَدْلًا؟ قُلْ: مَا شَاءَ اللهُ وَحْدَهُ».

[إسناده حسن] - [رواه ابن ماجه والنسائي في الكبرى وأحمد] - [السنن الكبرى للنسائي: 10759]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) :
Nisy lehilahy tonga tany amin'ny Mpaminany (S.A.W) niresaka taminy momba ny zavatra iray, dia hoy izy : "Raha sitrak'Allah sy sitrakao." Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Nataonao mitovy tantana amin'Allah aho?” Lazao fotsiny hoe : “Raha sitrak'Allah irery ihany”.

[Tsara ny fampitana] - [Notantarain'i Ibn Màjah, Al-Nasàì ao amin'ny Al-Kobra, ary Ahmad]

Ny fanazavana

Nisy lehilahy iray tonga tany amin’ny Mpaminany (S.A.W) ka niresaka taminy momba ny raharahany, dia hoy izy : “Raha sitrak'Allah sy raha sitrakao.” Nanameloka izany fanambarana izany ny Mpaminany (S.A.W) ary nilaza taminy fa ny fanakambana ny sitrapon'ny zavaboary miaraka amin'ny sitrapon'Allah amin'ny matoan-teny mpampitohy (sy) dia fanompoan-tsampy kely, ary tsy azo ataon'ny mpino silamo ny miteny izany. Avy eo izy dia nitarika azy ho amin’ilay fitenenana marina hoe : “Raha sitrak'Allah irery ihany", ka natokany ho an'Allah irery ihany mpanatanteraka izay sitrany, noho izany dia tsy azo atao ny manambatra sitrapon'ny zavatra iray amin'ny sitrapon'Allah na amin'ny endrika inona na endrika inona.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fitenenana hoe : “Raha sitrak'Allah sy sitrakao”, sy ny zavatra mitovitovy amin’izany, izay mahafaoka ny fampifandraisana ny sitrapon’ilay mpanompo amin’ny sitrapon’Allah amin’ny amin'ny fampiasana matoan-teny mpampitohy "sy". Satria izany dia fanompoan-tsampy kely.
  2. Voadidy ny fanoherana ny tsy mety.
  3. Ilay irak'Allah (S.A.W) dia efa niaro ny fanokanana an'Allah, ary nanampona ny làlan'ny shirk.
  4. Rehefa mandrara ny olona amin'ny ratsy dia tsara ny manolotra solotra solony mety ho azy mba ho fanitsiana azy, manaraka ny ohatry izay nataon'ny Mpaminany (S.A.W).
  5. Fampitahana ny tenin'ny Mpaminany (S.A.W) ao amin'ity hadith ity : "Raha sitrak'Allah irery ihany", sy ny teniny ao amin'ny hadith hafa : "Lazao hoe : "Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrakao", Ny fitenan'ny olona hoe : "Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrakao" dia azo atao, fa ny fitenenana hoe : "Raha sitrak'Allah irery ihany" no tena tsara.
  6. Azo atao ny miteny hoe : "Raha sitrak'Allah avy eo raha sitrakao" fa ny tena tsara kosa dia ny hoe : "Raha sitrak'Allah irery ihany".