+ -

عَنْ أَبِي وَاقِدٍ اللَّيْثِيِّ رضي الله عنه:
أَنَّ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ لَمَّا خَرَجَ إِلَى حُنَيْنٍ مَرَّ بِشَجَرَةٍ لِلْمُشْرِكِينَ يُقَالُ لَهَا: ذَاتُ أَنْوَاطٍ يُعَلِّقُونَ عَلَيْهَا أَسْلِحَتَهُمْ، فَقَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ، اجْعَلْ لَنَا ذَاتَ أَنْوَاطٍ كَمَا لَهُمْ ذَاتُ أَنْوَاطٍ، فَقَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللَّهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «سُبْحَانَ اللهِ! هَذَا كَمَا قَالَ قَوْمُ مُوسَى {اجْعَلْ لَنَا إِلَهًا كَمَا لَهُمْ آلِهَةٌ} [الأعراف: 138] وَالَّذِي نَفْسِي بِيَدِهِ لَتَرْكَبُنَّ سُنَّةَ مَنْ كَانَ قَبْلَكُمْ».

[صحيح] - [رواه الترمذي وأحمد] - [سنن الترمذي: 2180]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Wàqid Al-Laythì (R.A) :
Rehefa nivoaka nankany Honayn ny Mpaminany (S.A.W) dia nandalo teo akaikin'ny hazon'ireo mpanompo sampy izay voalaza fa misy rojo vy anantonana ny fitaovam-piadian'izy ireo, ka hoy ireo mpanaradiany hoe : o ry Irak'Allah, anaovy hazo ohatr'ity ho anay tahaka ny azy ireo. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : “Sobhànallàh! Izany dia tahaky ny voalazan’ny vahoakan’i Mosa manao hoe : “Anaovy tompo ho anay tahaka ny ananan'izy ireo tompo” [Al-A’raf: 138] Mianiana aho amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany, dia hanaraka ny làlan’ireo teo alohanareo tokoa ianareo".

[Mari-pototra] - [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad]

Ny fanazavana

Nankany Honayni ny irak'Allah (S.A.W), izay lohasaha manelanelana an'ny Taif sy Lameka, ary niaraka taminy ireo mpanaradiany izay vao niditra ny finoana islamo tsy ela. Nandalo teo amin’ny hazo iray antsoina hoe “Zat Anowat”, Izany hoe misy fanantonana, izay nampiasain’ireo mpanompo sampy ary nohamasinin'izy ireo ary nanantonan'izy ireo ny fitaovam-padiany sy ny zavatra hafa, hitadiavana fahasoavana. Koa nangataka tamin’ny Irak’Allah (S.A.W) izy ireo mba hanao hazo tahaka izany ho azy ireo, mba hanantonany ny fitaovam-pidiany ho fitadiavana fahasoavana, ary nihevitra izy ireo fa dia azo atao izany, Nidera an'Allah ny Mpaminany (S.A.W) ho fanamelohana izany fanambarana izany sy fanomezana voninahitra an’Allah, ary nilaza izy fa mitovy amin’izay nolazain’ny vahoakan’i Mosa (A.S) taminy io teny io, hoe : “Manaova tompo ho anay tahaka ny ananan'izy ireo tompo. ” Rehefa nahita ireo nanompo sampy izy ireo dia nangataka ny hanana sampy tahaka ireo mpanompo sampy manana ny sampiny, ary izany dia fanarahana ny lalan'izy ireo. Avy eo nampahafantatra ny Mpaminany (S.A.W) fa ity vahoaka ity dia hanaraka ny làlan'ny Jiosy sy ny Kristiana ary hanao izay nataony, ho fampitandremana ny amin'izany.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Aldoria serbianina Somalianina Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny olombelona mety hahita ny hatsaran'ny zavatra iray noho ny fiheverany fa hahatonga azy hanakaiky kokoa an’Allah Tsitoha izany, nefa mampisitaka azy aminy izany
  2. Tokony hiteny “Sobhànallàh” sy “Allaho Akbar” ny mpino silamo rehefa mandre zavatra tsy tokony holazaina amin'ny finoana, ary rehefa gaga amin'ny zavatra iray.
  3. Anisan'ny fanompoan-tsampy ny mitady tso-drano amin'ny hazo, vato, sy ankoatr'izany, ary amin'Allah irery ihany no itadiavana fitahiana.
  4. Ny antony mahatonga ny fanompoana sampy dia ny fanomezam-boninahitra azy ireo, hanokan-tena ho azy, ary fitadiavana fitahiana aminy.
  5. Voadidy ny manampona ireo varavarana sy ny làlana mankany amin'ny fanompoan-tsampy.
  6. Fampitandremana ho antsika ireo andinin-teny manameloka ny Jiosy sy ny Kristianina
  7. Fanakanana amin'ny fakana tahaka ireo olona talohan'ny finoana silamo, ny Jiosy ary ny Kristianina, afa-tsy izay voaporofo milaza fa anisan'ny finoantsika.