عن عائشة أم المؤمنين وعبد الله بن عباس رضي الله عنهما قالا:
لَمَّا نَزَلَ بِرَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ طَفِقَ يَطْرَحُ خَمِيصَةً لَهُ عَلَى وَجْهِهِ، فَإِذَا اغْتَمَّ بِهَا كَشَفَهَا عَنْ وَجْهِهِ، فَقَالَ وَهُوَ كَذَلِكَ: «لَعْنَةُ اللَّهِ عَلَى اليَهُودِ وَالنَّصَارَى، اتَّخَذُوا قُبُورَ أَنْبِيَائِهِمْ مَسَاجِدَ» يُحَذِّرُ مَا صَنَعُوا.
[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 435]
المزيــد ...
Tatitra azo tamin'i Aicha (R.A) sy Abdollah bin A'bbàs (R.A) niteny izy roa manao hoe :
Rehefa nanakaiky ny fotoana hialan'ny Irak'Allah teto an-tany, dia nanomboka nanipy ny lamba teo amin'ny tavany Izy, ary rehefa nahatsapa semotra noho izany izy dia navoakany indray ny tavany, ary niteny izy raha mbola tamin'ny poziny io ihany hoe : “Ny ozon’Allah anie ho amin’ny Jiosy sy ny Kristiana, izay naka ny fasan’ny mpaminaniny ho toeram-pivavahana” fampitandremana ny amin’izay nataon'izy ireo.
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 435]
I Aisha sy Ibn A'bbàs (R.A) manambara atsika fa rehefa nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ny fahafatesana, dia nasiany tapa-damba ny tavany, ary raha toa ka sarotra taminy ny nifoka ny rivotra, noho ny fahakakaizan'ny fahafatesana, dia nesoriny tsy ho eo amin’ny tavany intsony izany, ary tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany izy no niteny hoe : Allah anie hanozona ny Jiosy sy ny Kristiana ary hanala azy ireo amin’ny famindram-pony. Izany dia noho izy ireo nanorina moske teo ambonin’ny fasan’ireo mpaminaniny, ary raha tsy ny maha zava-doza an'izany zavatra izany, dia tsy ho tamin'ny fotoan-tsarotra tahaka izany no niresahany ny momba azy, noho izany dia nandrara ny vahoakany tsy hanao tahaka izany ny Mpaminany (S.A.W). Satria asa fanaon’ny Jiosy sy ny Kristianina izany, ary zava-dratsy mitarika ho amin’ny fampiombonana Allah amin'ny hafa.