1. Ny fototra
  2. Ireo fisokajiana
  3. Ny foto-pinoana

Resaka ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato

عن عائشة رضي الله عنها قالت:
سَأَلَ أُنَاسٌ رَسُولَ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ عَنِ الْكُهَّانِ، فَقَالَ لَهُمْ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «لَيْسُوا بِشَيْءٍ» قَالُوا: يَا رَسُولَ اللهِ، فَإِنَّهُمْ يُحَدِّثُونَ أَحْيَانًا بِالشَّيْءِ يَكُونُ حَقًّا، فَقَالَ رَسُولُ اللهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ: «تِلْكَ الْكَلِمَةُ مِنَ الْحَقِّ يَخْطَفُهَا الْجِنِّيُّ فَيَقُرُّهَا فِي أُذُنِ وَلِيِّهِ قَرَّ الدَّجَاجَةِ، فَيَخْلِطُونَ فِيهَا أَكْثَرَ مِنْ مِائَةِ كَذْبَةٍ».

Tatitra azo avy tamin'i Aicha (R.A) niteny :
Nisy andian'olona nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) momba ireny mpimasy ireny, dia namaly izy hoe : " Tsy misy inona hain'izy ireny". Niteny ireo olona : Ry Irak'Allah, fa izy ireo anie indraindray milaza zavatra marina, dia namaly i Mpaminany (S.A.W) : "ireny dia teny marina azon'ireo Djiny ka napetrakany amin'ny sofin'ny sakaizany ka afangarony lainga mihoatra ny zato".

Mari-pototra Notantarain’i Bokhari sy Moslim Sahìh Al-Bokhari - 6213

Ny fanazavana

Nanontaniana i Mpaminany (S.A.W) mahakasika ireny olona milaza fa mahalala ny zava-miafina hiseho amin'ny ho avy, dia namaly izy hoe : Aza variana amin'izy ireny ianareo, Ary aza raisina ny tenin'izy ireny, ary aza miasa loha momba azy ireny.
Niteny ireo mpanontany manao hoe : ny tenin'izy ireny indraindray dia mifanaraka amin'ny zava-miseho, toy ny filazan'izy ireo fa hisy zavatra hitranga amin'ny volana izao sy andro izao dia tena mitranga tokoa araka ny voalazany.
Namaly i Mpaminany (S.A.W) hoe : Mandre ny vaovao avy any an-danitra ny jiny, dia midina manambara izany any amin’ny mpimasy namany, avy eo ilay mpimasy indray no nanampy lainga zato tamin’izay reany tany an-danitra.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Voarara ny mino ireo mpimasy, ary lainga sy fitaka daholo ny zavatra lazainy, na dia marina aza izany indraindray.
  2. Voaaro ny lanitra amin'ireo satana taorian'ny fandefasana an'ny Mpaminany (S.A.W) mba tsy hiaino ireo hafatra na ankoatra izany afa-tsy izay mangalatra mihaino ka naheno kely tamin'izany ary avotra tamin'ny tainkintana.
  3. Ny Djiny dia maka sakaizany amin'ireo olombelona.

Fanehoana ny dikan-teny

63 Ny Fiteny
EN English الإنجليزية
UR اردو الأوردية
ES Español الإسبانية
ID Indonesia الإندونيسية
UG ئۇيغۇرچە الأيغورية
BN বাংলা البنغالية
FR Français الفرنسية
TR Türkçe التركية
RU Русский الروسية
BS Bosanski البوسنية
SI සිංහල السنهالية
HI हिन्दी الهندية
ZH 中文 الصينية
FA فارسی الفارسية
VI Tiếng Việt الفيتنامية
TL Tagalog تجالوج
KU Kurdî الكردية
HA Hausa الهوسا
PT Português البرتغالية
ML മലയാളം المليالم
TE తెలుగు التلغو
SW Kiswahili السواحيلية
TA தமிழ் التاميلية
MY မြန်မာ البورمية
TH ไทย التايلندية
DE Deutsch الألمانية
JA 日本語 اليابانية
PS پښتو بشتو
AS অসমীয়া الأسامية
SQ Shqip الألبانية
SV Svenska السويدية
AM አማርኛ الأمهرية
NL Nederlands الهولندية
GU ગુજરાતી الغوجاراتية
KY Кыргызча القيرقيزية
NE नेपाली النيبالية
YO Yorùbá اليوروبا
LT Lietuvių الليتوانية
PRS دری الدرية
SR Српски الصربية
SO Soomaali الصومالية
TG тоҷикӣ الطاجيكية
RW Kinyarwanda الكينياروندا
RO Română الرومانية
HU Magyar المجرية
CS Čeština التشيكية
MOS Moore الموري
FF Fulfulde الفولانية
IT Italiano الإيطالية
OM Oromoo الأورومو
KN ಕನ್ನಡ الكانادا
WO Wolof الولوف
BG Български البلغارية
AZ Azərbaycan الأذربيجانية
UZ O‘zbek الأوزبكية
UK Українська الأوكرانية
KA ქართული الجورجية
MK Македонски المقدونية
KM ភាសាខ្មែរ الخميرية
BM Bambara البامبارية
PA ਪੰਜਾਬੀ البنجابية
MR मराठी الماراثية
KMR Kurmancî الكرمنجية