عن أنس رضي الله عنه قال:
كُنَّا عِنْدَ عُمَرَ فَقَالَ: «نُهِينَا عَنِ التَّكَلُّفِ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 7293]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny :
Teo anatrehan'i Oumar izahy ka niteny izy hoe : "Voarara taminay ny fankasarotana".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 7293]

Ny fanazavana

Mampahafantatra i Omar (R.A) fa nandrara azy ireo i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fandraisana vesatra amin'ny zavatra tsy misy antony, na teny izany na fihetsika.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fankasarotana voarara dia : Ny fanontaniana betsaka amin'ireo zavatra tsy misy dikany, na koa fandraisana andraikitra zavatra tsy ananana fahalalana, na koa fampidirana vesatra amin'izay efa namaivanin'i Allah.
  2. Tokony manazatra tenany ny mpino iray amin'ny fanamaivanana ny teny sy ny fihetsika : amin'ny sakafony, zava-pisotrony, fiteniny, sy ny raharaha rehetra mahakasika azy eo amin'ny fiainany.
  3. Ny finoana Islam dia finoana mora sy tsotra.
Fanehoana ny dikan-teny
Ny Fiteny: الإنجليزية الأوردية الإسبانية Ny Fanampiny (63)