+ -

عن أنس رضي الله عنه قال:
كُنَّا عِنْدَ عُمَرَ فَقَالَ: «نُهِينَا عَنِ التَّكَلُّفِ».

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 7293]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Anas (R.A) niteny :
Teo anatrehan'i Oumar izahy ka niteny izy hoe : "Voarara izahay fankasarotana".

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari]

Ny fanazavana

Mampafantatra i Omar (RA) fa nandrara azy ireo i Mpaminany (S.W.A) amin'ny fandraisana vesatra amin'ny zavatra tsy misy antony, na teny izany na fihetsika.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Ny fankasarotana voarara dia : Ny fanontaniana betsaka amin'ireo zavatra tsy misy dikany, na koa fandraisana andraikitra zavatra tsy ananana fahalalana, na koa fampidirana vesatra amin'izay efa nankamaivanin'i Allah.
  2. Tokony manazavatra tenany ny mpino iray amin'ny fanamaivanana ny teny sy fihetsika : amin'ny sakafony, zava-pisotrony, fiteniny, sy ny raharaha rehetra mahakasika azy eo amin'ny fiainany.
  3. Ny finoana Islam dia finoana mora sy tsotra.