+ -

عن أبي مَرْثَدٍ الغَنَوِيّ رضي الله عنه قال: قال رسول الله صلى الله عليه وسلم:
«لَا تَجْلِسُوا عَلَى الْقُبُورِ، وَلَا تُصَلُّوا إِلَيْهَا».

[صحيح] - [رواه مسلم] - [صحيح مسلم: 972]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Abou Mourtad Al-Ghanawiou (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) :
" Aza mipetraka eo ambonin'ny fasana ianareo, ary aza manao Soalat eo aminy ".

[Mari-pototra] - [Notantaraiin'i Moslim]

Ny fanazavana

Nandrara i Mpaminany (S.W.A) ny fipetrahana eo ambonin'ny fasana.
Dia mbola nandrara ihany koa ny fanaovana Soalat eo amin'ny fasana, tahak'izany ny fanaovana ny fasana any amin'ny Quiblat fanaovana Swalat, satria izany dia làlana mitarika amin'ny fanompoan-tsampy.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Hongariana Tsekianina Italianina Kanadianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Fandrarana ny fanaovana Swalat any am-pasana na koa eo anelanelany afa-tsy ny Swalatoul-Janaza araky ny voalaza amin'ny Sounnah.
  2. Fandrarana ny fivavahana any am-pasana mba hanakanana ny sampantsampan'ny fanompoan-tsampy.
  3. Nandrara ny finoana Islam amin'ny fampiakarana ambony ny fasana na koa ny tsy fanisina fotony izany, tsy hampiakarina na koa ambaniana.
  4. Ny fahamasinan'ny mpino silamo iray dia mitoetra na dia aorian'ny fahafatesany, araka ny fanambarana nataon'ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : (Ny fanapahana ny taolan'ny maty dia mitovy amin'ny fahatapahan'ny taolany fony izy mbola velona).