+ -

عَنْ أَبِي هُرَيْرَةَ رضي الله عنه قَالَ: قَالَ النَّبِيُّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ:
«لاَ يُصَلِّي أَحَدُكُمْ فِي الثَّوْبِ الوَاحِدِ لَيْسَ عَلَى عَاتِقَيْهِ شَيْءٌ».

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 359]
المزيــد ...

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaire (R.A) niteny : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
“Aza mivavaka amin’ny fitafiana iray tsy misy na inona na inona eo an-tsorony ny iray aminareo.”

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim] - [Sahìh Al-Bokhari - 359]

Ny fanazavana

i Mpaminany (S.A.W) dia nandrara ny olona mba tsy hivavaka amin'ny akanjo iray tsy misy zavatra amin'ny sorony, eo anelanelan'ny sorony sy ny tendany mba tsy hampisaronana na inona na inona eo amboniny. Eny na dia tsy henatra soroka anakiroa dia azo atao ny manarona ny henatra, ary izany dia manakaiky kokoa ny fanomezam-boninahitra sy ny fanamasinana an’I Allah ilay Tsitoha rehefa mijoro eo anatrehany amin’ny vavaka.

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Azo atao ny mivavaka amin'ny akanjo iray raha manarona izay tsy maintsy hosaronany.
  2. Azo atao ny mivavaka amin'ny akanjo roa, ny iray manarona ny vatana ambony, ary ny iray manarona ny ambany.
  3. Tsara ho an'ny olona mivavaka ny mba amin'ny endrika tsara.
  4. Tsy maintsy manarona ny roa na ny iray amin’ireo soroka afaka amin’ny fotoam-bavaka, raha azo atao, ary ny fandrarana dia lazaina fa fihadiana.
  5. Nanam-bola kely ny mpanaradia, hany ka tsy nanana akanjo roa ny sasany tamin’izy ireo.
  6. Hoy i Al-Nawawi momba ny dikan'ny hadith : Ny fahendren'ny hadith dia ny hoe raha manarona ny tenany amin'izany izy ary tsy manana izany eo an-tsorony, dia tsy azony antoka fa hibaribary ny henany, tsy toy ny hoe mametraka ny sasany izany eo an-tsorony, ary satria mety mila mihazona izany amin’ny tànany na ny tanany roa izy ary mazoto amin’izany, ary very aminy ny Sonnah amin’ny fametrahana ny tànana havanana eo amin’ny ankavia eo ambanin’ny tratrany, ary manangana azy ireo araka ny nandidiana azy hanangana izy ireo sy ny ankoatra izany, satria tao anatin’izany no nitsaharan'ny fisaronana ny vatana ambony sy ny toeran’ny fihaingoana, ary hoy Allah Ilay Tsitoha : “Raiso ny fihaingoanareo mandeha eny amin'ny moske” [Al-A’raf: 31].
Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Tagaloga Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tailandia Pasito Asamia Soedianina Amharika Holandia Gojratia Nepalianina Aldoria Romaniana Hongariana الموري Kanadianina الولوف Okranianina الجورجية المقدونية الخميرية الماراثية
Fanehona ny dikanteny