عَنْ جَابِرِ بْنِ عَبْدِ اللَّهِ رضي الله عنهما أَنَّ رَسُولَ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ قَالَ:
«مَنْ قَالَ حِينَ يَسْمَعُ النِّدَاءَ: اللَّهُمَّ رَبَّ هَذِهِ الدَّعْوَةِ التَّامَّةِ، وَالصَّلاَةِ القَائِمَةِ، آتِ مُحَمَّدًا الوَسِيلَةَ وَالفَضِيلَةَ، وَابْعَثْهُ مَقَامًا مَحْمُودًا الَّذِي وَعَدْتَهُ، حَلَّتْ لَهُ شَفَاعَتِي يَوْمَ القِيَامَةِ».
[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 614]
المزيــد ...
Tatitra azo avy amin'i Jabir bin Abdollah (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe :
«Izay naheno AZAN ka niteny an’ity Doan ity hoe : Allahomma Rabba Hazihi Daawatit Tammat Wa swalatil Qaaiima Aati Mohammadan Al-Wassilat Wal Fadhilat Wab’athho Maqaaman Mahmodan Allazi Waad’taho, Dia hahazo fanelanelana avy amiko izy amin’ny andro fitsanganana (andro fitsarana)».
[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 614]
Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa izay miteny rehefa mandre ny mpanao Azan aorian'ny Azan nataony :
(Allahomma Rabba Hazihi Daawat) io dia teny amin'ny antso ho amin'ny vavaka izay iantsoana ny olona amin'ny Swalat, (Tammat) feno, ny antso ho amin'ny fanokanana sy ny hafatra, (Wa swaltil Qaaiima) vavaka maharitra miorina, (Aati) ary omeo, (Mohammadan Al-Wassilat) ary ny toerana ambony indrindra any an-danitra izay tsy misy mahazo azy afa-tsy izy irery ihany, (Wal Fadhilat) ny laharana ambony noho ny laharan'ny zavaboary rehetra, (Wab’anthhou) ary omeo azy (Maqaman Mahmodan) fitoerana mendri-piderana - izay hiderana izay mitsangana; Io no fanelanelanana lehibe indrindra amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, (Allazi Waad’taho) izay nampanantenainao - tamin’ny filazanao hoe : {Angamba ny Tomponao no hanandratra anareo ho amin’ny toerana mendri-piderana} amin’ny maha Mpaminany (S.A.W) Azy.
Ka izay milaza izany fitalahoana izany dia manan-jo hahazo ny fanelanelanan'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty.