+ -

عن جَرِيْر بنِ عبدِ الله رضي الله عنه قال:
كُنَّا عِنْدَ النَّبِيِّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ، فَنَظَرَ إِلَى الْقَمَرِ لَيْلَةً -يَعْنِي الْبَدْرَ- فَقَالَ: «إِنَّكُمْ سَتَرَوْنَ رَبَّكُمْ كَمَا تَرَوْنَ هَذَا الْقَمَرَ، لَا تُضَامُونَ فِي رُؤْيَتِهِ، فَإِنِ اسْتَطَعْتُمْ أَنْ لَا تُغْلَبُوا عَلَى صَلَاةٍ قَبْلَ طُلُوعِ الشَّمْسِ وَقَبْلَ غُرُوبِهَا فَافْعَلُوا» ثُمَّ قَرَأَ: «{وَسَبِّحْ بِحَمْدِ رَبِّكَ قَبْلَ طُلُوعِ الشَّمْسِ وَقَبْلَ الْغُرُوبِ}»

[صحيح] - [متفق عليه] - [صحيح البخاري: 554]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Jarir Bin Abdillahi (R.A) niteny hoe :
Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) izahay, ary nijery ny volana Izy indray alina - volana fenomanana - ka nilaza hoe : “ Fa ho hitanao tokoa ny Tomponareo tahaka ny fahitanao ity volana ity, Aza manahy ianareo ny amin’ny fahitana azy, ary raha azonareo atao ny tsy manao antsirambina ny vavaka alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany, dia ataovy izany.” Ary namaky izy ny andininy :{Ary mankalazà ny fiderana ny Tomponareo alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehan’ny masoandro}»-

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

Ny fanazavana

Niaraka tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanaradiany, indray alina ka nijery ny volana - ny alin'ny fahefatra ambin'ny folo - ary niteny manao hoe : Ny mpino dia hahita ny Tompony amin’ny maso mivantana tsy misy fisalasalana, ary tsy hifanjevo izy ireo ary tsy hahatsapa harerahana na fahasahiranana rehefa mahita Azy. Avy eo niteny Ilay Irak'I Allah (S.A.W) hoe : Raha vitanareo ny manapaka ireo antony mampivily ny sainao amin'ny fanaovana ny swalat maraina sy ny tolakandro, dia ataovy izany ary tanteraho amin'ny fotoana mahamety azy ao anaty vondrona (jammah), fa izany no iray amin'ireo antony hijerena ny tareh'ny tompo Allah Ilay Tsitoha. Avy eo namaky ilay andininy masina ny Mpaminany (S.A.W) : {ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan'ny fiposahan'ny masoandro sy alohan'ny filentehany}.

Ny Fandikan-teny: Anglisy Ordo Espana Indoneziana Aigoria Bengaly Frantsay Torkia Rosiana Bosnia Sinhala India sinoa Persiana Vietnamiana Kordia Hosia portogalîa Malayalamia Teljo saohilia Tamily Birmana Tailandia Alimanina Zapone Pasito Asamia Albany Soedianina Amharika Holandia Gojratia Kargaria Nepalianina Yorianina Litoanianina Aldoria serbianina Somalianina Keniaroandia Romaniana Tsekianina Oromianina
Fanehona ny dikanteny

Lesona azo avy amin'ny Hadith

  1. Vaovao tsara ho an’ny olona manam-pinoana ny fahitana an’I Allah mivantana ao amin’ny Paradisa.
  2. Anisan’ny fomba fampielezana ny finoana : ny fanamafisana, ny fampitsiriritana, ary ny fanomezana ohatra.