عن أنس بن مالك رضي الله عنه:
أَنَّ النَّبِيَّ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ لَا يَرُدُّ الطِّيبَ.

[صحيح] - [رواه البخاري] - [صحيح البخاري: 2582]
المزيــد ...

Tatitra azo avy amin'i Anas Ibn Malik (R.A) niteny :
i Mpaminany (S.A.W) dia tsy mba mamerina ny ranomanitra izay nomena Azy.

[Mari-pototra] - [Notantarain’i Bokhari] - [Sahìh Al-Bokhari - 2582]

Ny fanazavana

Isan'ny sori-dàlan'ny Mpaminany (S.A.W) ny tsy fandavana ny ranomanitra nomena azy, fa izay nomena azy dia raisiny avokoa; satria izany dia maivana no sady tsara fofona.

Anisany tombotsoa azo avy amin'ny Hadith

  1. Fanekena ny fandraisana ny ranomanitra izay omena; Satria tsy mitaky hery amin'ny fitondràna azy ary tsy misy tsiny ihany koa ny amin'ny fandraisana azy.
  2. Fahafenoan'ny hatsaran-toetra izay hanan'ny Mpaminany (S.A.W) no nahatonga ny tsy famerenany ilay ranomanitra nomena azy ary fanekena ny fanomezana izay nomena azy.
  3. Ny famporisihana amin'ny fampiasana ny ranomanitra.
Fanehoana ny dikan-teny
Ny Fiteny: الإنجليزية الأوردية الإسبانية Ny Fanampiny (64)